Nomery 2:34 - DIEM PROTESTANTA Notanterahin’ny Israelita izany, araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy; ka araka ny fanevany avy no nitobiany ary araka ny foko sy ny tarika nisy azy avy no niaingany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely ka nitoby araka ny fanevany avy; samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Notanterahin’ny Israelita izany, araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy; ka araka ny fanevany avy no nitobiany ary araka ny foko sy ny tarika nisy azy avy no niaingany. Baiboly Katolika Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Toy izany no nitobiany samy araka ny fanevany avy. Toy izany no nilaharany teo am-pandehanana araka ny fianakaviany avy sy ny tokom-pianakaviany avy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny Zanak’Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy. Malagasy Bible Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy. La Bible en Malgache Nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely ka nitoby araka ny fanevany avy; samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy. |
Notanterahin’ny Israelita ny asa rehetra araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
mifanaraka amin’ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Tao an-taniefitr’i Sinay no nanaovany ny fanisana.
Ny Israelita dia samy hitoby eo amin’ny tobiny avy sy eo akaikin’ny vondron-tafiny avy.
Notanterahin’ny Israelita avokoa izany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Ary niainga tao amin’ny taniefitr’i Sinay ny Israelita. Tany an-taniefitr’i Paràna kosa no nijanona ny rahona.
–Ny Israelita dia samy hitoby eo akaikin’ny vondron-tafiny sy ny fanevan’ny fokony avy. Ny toby dia tsy maintsy manodidina ny Tranolay fihaonana kanefa lavidavitra azy.
Ny Levita ihany no tsy natao fanisana niaraka tamin’ny Israelita hafa araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Tsy nahita tsiny tamin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO na faharatsiana teo amin’ny vahoaka israelita. Ny Tompo Andriamaniny no momba azy, ka anaovany fihobiana toy ny mpanjakany.
Rehefa niandrandra i Balahama, dia nahita ireo Israelita nitoby isaky ny fokony avy; ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,
Ireto avy ny taranak’i Aharôna sy i Mosesy tamin’ny andro nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.
Olo-marina teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady ary nanaraka ny didy amam-pitsipiky ny Tompo an-tsakany sy an-davany.