Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 19:7 - DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia hanasa ny fitafiany ny mpisorona ary hampandro ny tenany, izay vao hiditra ao amin’ny toby; nefa mbola haloto mandra-paharivan’ny andro izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hosasan’ny mpisorona ny fitafiany ary handro amin’ny rano izy; avy eo dia hankao amin’ny toby izy, nefa haloto mandra-paharivan’ny andro ilay mpisorona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia hanasa ny fitafiany ny mpisorona ary hampandro ny tenany, izay vao hiditra ao amin’ny toby; nefa mbola haloto mandra-paharivan’ny andro izy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia hosasan’ny mpisorona ny fitafiany ary hampandroiny amin’ny rano ny tenany; manaraka izany, dia hiditra eo an-toby izy, ka haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hosasan’ny mpisorona ny fitafiany, ary handro amin’ny rano izy, ary rehefa afaka izany, dia hankeo amin’ny toby izy; ary haloto mandra-paharivan’ny andro ny mpisorona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hosasan'ny mpisorona ny fitafiany, ary handro amin'ny rano izy, ary rehefa afaka izany, dia hankeo amin'ny toby izy; ary haloto mandra-paharivan'ny andro ny mpisorona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hosasan’ny mpisorona ny fitafiany ary handro amin’ny rano izy; avy eo dia hankao amin’ny toby izy, nefa haloto mandra-paharivan’ny andro ilay mpisorona.

Jereo ny toko



Nomery 19:7
19 Rohy Ifampitohizana  

«Ireto biby hotanisaina manaraka ireto koa dia hahaloto anareo. Na zovy na zovy mikasika ny fatin’ireo, dia haloto mandra-paharivan’ny andro;


ary na zovy na zovy mitondra ny fatin’ireo, dia haloto koa mandra-paharivan’ny andro sady tsy mainty hanasa fitafiana.


Amin’ny biby madinika rehetra, dia ireo no ho maloto aminareo; ka na zovy na zovy mikasika ny fatin’ireo, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.


Haloto avokoa, ny zavatra ilatsahan’ny fatiny, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasàka, na inona na inona fitaovana ampiasaina; eny, haloto mandra-paharivan’ny andro izany, ary tsy maintsy asoka anaty rano vao hadio.


«Raha biby fihinan-kena no maty ho azy, izay mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan’ny andro;


izay mihinana amin’ny henany kosa dia haloto mandra-paharivan’ny andro sady tsy maintsy manasa fitafiana; ary izay hitondra ilay fatim-biby, dia haloto mandra-paharivan’ny andro ihany koa sady tsy maintsy manasa fitafiana.


«Izay miditra ao amin’izany trano izany mandritra ny fe-potoana manontolo ilazana azy hoe hihidiany, dia haloto mandra-paharivan’ny andro;


Izay olona mikasika io farafara nandriany io dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro.


ny mpisorona, izay nahakasika olona na zavatra mahaloto azy dia haloto mandra-paharivan’ny andro ka tsy hahazo mihinana amin’ny zava-masina, raha tsy efa nandro.


Hanasa ny fitafiany koa ilay hanangona ny lavenon’ny ombivavy, saingy mbola haloto mandra-paharivan’ny andro. Ho lalàna raikitra izany ho an’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka ao aminy.


Hofafazan-drano toy izany ilay olona maloto amin’ny andro fahatelo sy fahafito, ka hadio amin’ny otany izy amin’ny andro fahafito. Hanasa ny fitafiany sy hampandro ny tenany izy aorian’izany, dia hadio rehefa hariva.


«Ho lalàna raikitra ho an’ny Israelita izany. Izay manao fafy rano amin’io rano fanadiovana io dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika io rano fandiovana io dia haloto mandra-paharivan’ny andro.


Izay zavatra rehetra voakasiky ny olona maloto dia haloto; ary izay olona mikasika azy koa dia haloto mandra-paharivan’ny andro.»


Ilay handoro ny ombivavy kosa dia hanasa ny fitafiany sady hampandro ny tenany, saingy mbola haloto mandra-paharivan’ny andro.


Entin’ny mpisorombe ao amin’ny Toeramasina Indrindra ny ran’ny biby hatao sorona ho fanalana ny ota; fa ny fatin’ireo biby ireo kosa dia dorana any ivelan’ny toby.