satria lehibe ny fitarainana tonga eo anatrehan’ny TOMPO momba ny mponina ao aminy; koa nirahin’ny TOMPO izahay handrava azy.
Nomery 16:21 - DIEM PROTESTANTA –Mialà ianareo amin’ireo andian’olona ireo fa handringana azy indray mipi-maso Aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mihataha amin’ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin’ny indray mipy maso monja. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Mialà ianareo amin’ireo andian’olona ireo fa handringana azy indray mipi-maso Aho. Baiboly Katolika «Mialà eo afovoan’ity fiangonana ity ianareo, handringanako azy indray mihelina monja.» Baiboly Protestanta Malagasy Mihataha amin’ity fiangonana ity hianareo handringanako azy amin’ny indray mipì-maso monja. Malagasy Bible Mihataha amin'ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja. La Bible en Malgache Mihataha amin’ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin’ny indray mipy maso monja. |
satria lehibe ny fitarainana tonga eo anatrehan’ny TOMPO momba ny mponina ao aminy; koa nirahin’ny TOMPO izahay handrava azy.
Dia nivoaka ny trano i Lôta mba hiteny amin’ireo vinantony izay hanambady ny zanany vavy ka nanao hoe: –Miaingà, ialao ity toerana ity fa horavan’ny TOMPO ny tanàna. Saingy noheverin’ireo vinantony ho manao kivazivazy i Lôta.
Koa ankehitriny, avelao hanaovako azy: haringako amin’ny fahatezerako izy, fa ianao kosa hataoko firenena lehibe.»
Raha izany no hataonao, dia hiteny ny Ejiptianina hoe: «Halozana no namoahan’ny Tompo ireo Israelita ireo hiala ny tanintsika, mba handringanany azy any an-tendrombohitra, ary hanafoanany azy tsy ho eto ambonin’ny tany intsony.» TOMPO ô, toneo ny hatezeranao, ary avelao ny loza saika hamelezanao ny vahoakanao.
Ny TOMPO manko efa nandidy an’i Mosesy mba hilaza amin’ny Israelita hoe: «Vahoaka maditra mafy hatoka ianareo rehetra! Koa raha hiara-mandeha aminareo Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handevona anareo. Koa esory aminareo aloha ireo haingonareo, dia ho fantatro amin’izay ny hataoko aminareo.»
Dia niainga hankao an-tobin’ny Asirianina ilay anjelin’ny TOMPO ka nisy 185 ny antoko-miaramila naripany; ary raha vao nifoha ny sisa velona tamin’ny maraina, dia nahita fa efa maty avokoa ireo.
Toy ny fasana misokatra ny tranon-jana-tsipîkany; ary mpiady mahery ny miaramilany rehetra.
Hamely azy amin’ny pesta Aho ka hamongotra azy; ianao kosa hataoko firenen-dehibe sy matanjaka noho izy.
Ankehitriny, raha indray hofongoranao ny vahoakanao, dia hiteny ireo firenena efa nahafantatra ny lazanao ka hanao hoe:
–Mialà ianareo amin’io fiangonana io fa handringana azy indray mipi-maso Aho. Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy,
Mbola maro ny teny hafa nijoroan’i Petera ho vavolombelona ka nitaomany sy nananarany ny vahoaka hoe: –Vonjeo ny tenanareo ka misaraha amin’ireto olona mpaniasia ireto!
Izany no ilazan’ny Tompo hoe: «Mialà teo aminy ka misaraha aminy; aza mikasika zavatra tsy madio, dia horaisiko ianareo.
Dia reko nisy feo iray hafa koa avy tany an-danitra nanao hoe: «Mialà amin’io tanàna io ianareo, ry vahoakako, mba tsy hiombom-pahotana aminy ary mba tsy hiharan’ny loza hanjo azy;