Nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita indray ny TOMPO, ka nitaona an’i Davida hahatonga loza aminy sy nampanisa azy ny olona ao Israely sy ao Joda.
Nomery 14:12 - DIEM PROTESTANTA Hamely azy amin’ny pesta Aho ka hamongotra azy; ianao kosa hataoko firenen-dehibe sy matanjaka noho izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hamely azy amin’ny areti-mandringana Aho ka hanary azy tsy hanan-dova, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hamely azy amin’ny pesta Aho ka hamongotra azy; ianao kosa hataoko firenen-dehibe sy matanjaka noho izy. Baiboly Katolika Hasiako amin’ny pesta sy hofongorako izy, ary ianao, dia hataoko firenena lehibe sy mahery lavitra noho izy.» Baiboly Protestanta Malagasy Hamely azy amin’ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa. Malagasy Bible Hamely azy amin'ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa. La Bible en Malgache Hamely azy amin’ny areti-mandringana Aho ka hanary azy tsy hanan-dova, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa. |
Nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita indray ny TOMPO, ka nitaona an’i Davida hahatonga loza aminy sy nampanisa azy ny olona ao Israely sy ao Joda.
Koa ankehitriny, avelao hanaovako azy: haringako amin’ny fahatezerako izy, fa ianao kosa hataoko firenena lehibe.»
Dia hoy indray i Mosesy sy i Aharôna hoe: –Ilay Andriamanitry ny Hebreo, ilay TOMPO Andriamanitray, no niseho taminay. Koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro any an-taniefitra hanao sorona aminy, fandrao hamely anay amin’ny areti-mifindra na amin’ny ady Izy.
Kanjo nikomy tamiko tany an-taniefitra ireo! Tsy noraharahainy ny lalànako ary nohamavoiny ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manatanteraka ireny. Nozimbazimbainy mihitsy ny andro sabatako. Koa nihevitra indray Aho ny hampitosaka ny fahatezerako aminy tany an-taniefitra mba hahalany ringana azy.
Ady no harongatro hamelezana anareo, ho sazin’ny nivadihanareo ny fanekempihavanako. Ary rehefa tafangona hialoka ao anaty tanànanareo ianareo, dia handefasako areti-mandringana eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo.
Hataon’ny TOMPO azon’ny areti-mandringana ianareo ka ho lany ritra tsy ho eo amin’ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.