Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 13:3 - DIEM PROTESTANTA

Dia nalefan’i Mosesy avy eo an-taniefitr’i Paràna araka ny baikon’ny TOMPO ireo. Samy lohandohan’ny Israelita avokoa izy rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nandefa azy ireo avy tao an-tany efitra Parana i Mosesy, araka ny didin’NY TOMPO; ary samy lehiben’ny Zanak’Israely ireo lehilahy rehetra ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nalefan’i Mosesy avy eo an-taniefitr’i Paràna araka ny baikon’ny TOMPO ireo. Samy lohandohan’ny Israelita avokoa izy rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nirahin’i Môizy avy ao amin’ny efitra Faràna, araka ny didin’i Iaveh, izy ireo; ary samy filohan’ny zanak’i Israely avokoa ireo lehilahy rehetra ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin’i Jehovah; ary samy lohan’ny firenen’ny Zanak’Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin'i Jehovah; ary samy lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nandefa azy ireo avy tao an-tany efitra Parana i Mosesy, araka ny didin’NY TOMPO; ary samy lehiben’ny Zanak’Israely ireo lehilahy rehetra ireo.

Jereo ny toko



Nomery 13:3
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary niainga tao amin’ny taniefitr’i Sinay ny Israelita. Tany an-taniefitr’i Paràna kosa no nijanona ny rahona.


Rehefa izany, dia niala tao Hatserôta ny vahoaka ka nitoby tao an-taniefitr’i Paràna.


–Mandefasa lehilahy hisafo ny tany Kanahàna izay omeko ny Israelita. Lehilahy iray isam-pokony avy no halefanareo, ka izy rehetra dia hotsongaina amin’ireo mpiandraikitra azy.


Nankeo amin’i Mosesy sy i Aharôna ary ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tao an-taniefitr’i Paràna any Kadesy izy ireo, ka nanao tatitra tamin’ny besinimaro ary nampiseho azy ny vokatry ny tany.


Toy izao avy ny anarany: I Samoa zanakalahin’i Zakora, avy amin’ny fokon’i Reobena;


Nanao fahadisoana toy izany koa ny rainareo, raha nirahiko avy tao Kadesy-Barnea hisafo ny tany Kanahàna izy.


–I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona no hisahana ny fizaràna ny tany.


Dia niala tany Hôreba isika, araka ny nandidian’ny TOMPO Andriamanitsika; ary nandeha isika namaky ilay taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay hitanareo teny an-dalana mankany amin’ny faritra havoana onenan’ny Amôrita. Rehefa mby tao Kadesy-Barnea isika,


Sitrako izany teny izany, ka dia nifidy 12 lahy teo aminareo aho, iray avy isam-poko.


Ary fony nampandehanin’ny TOMPO niala tao Kadesy-Barnea ianareo ka nataony hoe: «Miakara ka alaovy ho fanananareo ny tany izay omeko anareo», dia nolavinareo ny tenin’ny TOMPO; fa tsy nino Azy ianareo na nihaino ny feony.


Tamin’izay no maty i Samoela; ary dia nivory ny Israelita rehetra mba hiara-misaona azy. Nalevina tao amin’ny fonenany tao Ramà izy. Rehefa izany, dia lasa nankany an-taniefitr’i Paràna i Davida.