Niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy, ka nanohy niakatra ny tendrombohitra ary nijanona tao an-tendrombohitra nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.
Nomery 13:25 - DIEM PROTESTANTA Nony afaka efapolo andro, dia niverina avy nisafo ny tany ireo iraka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa afaka efapolo andro dia niverina avy nisafo ny tany izy ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony afaka efapolo andro, dia niverina avy nisafo ny tany ireo iraka. Baiboly Katolika Nony afaka 40 andro dia niverina avy any am-pisafoana ny tany izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro. Malagasy Bible Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro. La Bible en Malgache Rehefa afaka efapolo andro dia niverina avy nisafo ny tany izy ireo. |
Niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy, ka nanohy niakatra ny tendrombohitra ary nijanona tao an-tendrombohitra nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.
Dia nijanona tao niaraka tamin’ny TOMPO efapolo andro sy efapolo alina i Mosesy, nefa tsy nihinana na nisotro; ary izy no nanoratra tamin’ny vatofisaka roa ny didy folo, fototry ny fanekempihavanana.
Dia nomena anarana hoe Lohasahan’i Eskôla na Lohasahan-tsampaho izany toerana izany, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin’ny Israelita teo.
Nankeo amin’i Mosesy sy i Aharôna ary ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tao an-taniefitr’i Paràna any Kadesy izy ireo, ka nanao tatitra tamin’ny besinimaro ary nampiseho azy ny vokatry ny tany.