Nomery 12:3 - DIEM PROTESTANTA I Mosesy kosa dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona hafa rehetra ambonin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Mosesy anefa dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra etỳ ambonin’ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Mosesy kosa dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona hafa rehetra ambonin’ny tany. Baiboly Katolika Ren’i Iaveh izany. I Môizy anefa dia lehilahy malemy fanahy indrindra, mihoatra noho ny olona rehetra etỳ ambonin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany. Malagasy Bible Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin'ny tany. La Bible en Malgache I Mosesy anefa dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra etỳ ambonin’ny tany. |
Tampoka teo dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna ary i Miriama: –Mankanesa ianareo telo mianadahy ao amin’ny Tranolay fihaonana. Dia nankany izy ireo.
Raiso ny fampianarako ary mianara amiko fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; ary dia hahita fialan-tsasatra ao anatinareo ianareo.
«Izao lazaina amin’ny mponina ao Tsiôna: Indro ny mpanjakanareo fa tonga eo aminareo, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky vavy dia boriky vavy ombàn-janany, zanaky ny mitondra zioga.»
Izaho Paoly mihitsy no manainga anareo, dia izaho izay lazaina fa manetry tena rehefa manoloana anareo, nefa henjana aminareo rehefa lavitra anareo. Miangavy anareo amin’ny fahalemem-panahy sy hamoram-pon’i Kristy aho:
Efa lasa adala aho, satria noterenareo. Ianareo ange no tokony hidera ahy e! Fa na dia tsinontsinona aza aho, dia tsy misy mahalatsa-danja ahy velively amin’ireo apôstôly fanaperana.
na dia azonay natao aza ny nanampatra fahefana araka ny maha apôstôlin’i Kristy anay; fa teo anivonareo, dia nalemy fanahy izahay, mova tsy reny mikolokolo ny zanany naterany.
Misy hendry sy manan-tsaina ve aminareo? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara fa ny halemem-panahy, vokatry ny fahendrena, no manenika ny asa ataony.
fa aoka ny haingonareo ho zavatra miafina ao am-po, dia ny haingo tsy mety simba vokatry ny halemem-panahy sy ny toetra tony: izany no tena sarobidy eo imason’Andriamanitra.