Nitsodrano an’i Rebekà ireo ka nanao taminy hoe: –Ho tonga renin’ny olona an’alinalina anie ianao, rahavana, ary ny taranakao anie hahazo ny tanànan’izay mankahala azy!
Nomery 10:36 - DIEM PROTESTANTA Rehefa nijanona kosa ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «TOMPO ô, miverena eo anivon’ny fianakaviana anarivoarivon’i Israely». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa nijanona kosa ny vata misy ny Vavolombelona dia hoy izy: Miverena, TOMPO ô, ho amin’ny Israely tsy omby alinalina! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa nijanona kosa ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «TOMPO ô, miverena eo anivon’ny fianakaviana anarivoarivon’i Israely». Baiboly Katolika Nony nijanona kosa indray izy dia hoy izy: «Avia, ry Iaveh, miverena amin’ny isan’arivon’i Israely tsy omby alinalina.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin’ny Isiraely tsy omby alinalina. Malagasy Bible Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin'ny Isiraely tsy omby alinalina. La Bible en Malgache Rehefa nijanona kosa ny vata misy ny Vavolombelona dia hoy izy: Miverena, TOMPO ô, ho amin’ny Israely tsy omby alinalina! |
Nitsodrano an’i Rebekà ireo ka nanao taminy hoe: –Ho tonga renin’ny olona an’alinalina anie ianao, rahavana, ary ny taranakao anie hahazo ny tanànan’izay mankahala azy!
Avia, TOMPO ô, ho amin’ny toeram-pitsaharanao, dia Ianao sy ilay Vatamasina maneho ny herinao.
TOMPO ô, nahoana re izahay no avelanao haniasia lavitra ny lalanao, sy hampikiry ny fonay tsy hanaja Anao? Miverena noho ny fitiavanao ny mpanomponao, dia izahay foko anjara fanananao.
Efa nahamaro anareo ny TOMPO Andriamanitrareo, ka indro ankehitriny efa maro toy ny kintana eny amin’ny habakabaka ianareo.