Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro, ary andry afo kosa nony alina, mba hanazava ny lalan-kalehany.
Nomery 10:34 - DIEM PROTESTANTA Teo ambonin’ny Israelita mba hanaloka azy ny rahon’ny TOMPO nandritra ny andro, tamin’ny fotoana izay niaingany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny rahon’NY TOMPO dia teo amboniny nony andro, tamin’ny niaingany niala tamin’ny nitobiany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Teo ambonin’ny Israelita mba hanaloka azy ny rahon’ny TOMPO nandritra ny andro, tamin’ny fotoana izay niaingany. Baiboly Katolika Ary rehefa niala tamin’ny toby izy ireo, dia eo amboniny mandritra ny andro ny rahon’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny rahon’i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin’ny niaingany niala tamin’ny nitobiany. Malagasy Bible Ary ny rahon'i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin'ny niaingany niala tamin'ny nitobiany. La Bible en Malgache Ary ny rahon’NY TOMPO dia teo amboniny nony andro, tamin’ny niaingany niala tamin’ny nitobiany. |
Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro, ary andry afo kosa nony alina, mba hanazava ny lalan-kalehany.
kanefa noho Ianao be famindrampo, dia tsy nafoinao tany an-taniefitra izy: Ny andry rahona, izay nitari-dalana azy raha antoandro, dia tsy niala teo akaikiny na ny andry afo nony alina mba hanazava ny lalan-kalehany,
Dia novelarin’Andriamanitra ny rahona hanalokaloka ny vahoakany, ary najorony koa ny afo hanazava azy nony alina.
Nandritra ny dia rehetra nataon’ny Israelita, dia nandrakotra ny fonena-masina ilay rahona nony antoandro ary nisy afo mazava teo aminy nony alina; izany no nanehoan’ny TOMPO fa teo anatrehan’ny Israelita rehetra hatrany Izy.
Rehefa niainga ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «Mitsangàna, TOMPO ô, aoka hihahaka ny fahavalonao, ary handositra anao ny mpankahala!»