Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 10:25 - DIEM PROTESTANTA

Ny fanevan’i Dàna mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga farany. Izy ireo no vodilaharana; ny tafiky ny taranak’i Dana dia notarihin’i Ahihezera, zanakalahin’i Hamisaday;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny taranak’i Dana, izay vodilalan’ny toby rehetra, araka ny antokony; ary ny mpifehy ny antokony dia i Ahiezera, zanak’i Amisaday.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny fanevan’i Dàna mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga farany. Izy ireo no vodilaharana; ny tafiky ny taranak’i Dana dia notarihin’i Ahihezera, zanakalahin’i Hamisaday;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Dana, araka ny antokony avy; izy no vodilalan’ny toby rehetra. Ny antokon’i Dana dia nofehezin’i Ahiezera zanak’i Amisadaia;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny taranak’i Dana, izay vodi-làlan’ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak’i Amisaday, no mpifehy ny antokony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Dana, izay vodi-lalan'ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak'i Amisaday, no mpifehy ny antokony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny taranak’i Dana, izay vodilalan’ny toby rehetra, araka ny antokony; ary ny mpifehy ny antokony dia i Ahiezera, zanak’i Amisaday.

Jereo ny toko



Nomery 10:25
12 Rohy Ifampitohizana  

Satria tsy hikoropaka ianareo raha miainga hivoaka ny tanàna, ary tsy hihorohoro raha miala teto; fa ny TOMPO no hialoha lalana anareo ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo.


Amin’izay dia hiposaka toy ny maraina ny fahazavànao ary ho tonga haingana ny fahasitrananao. Ny fanafahana anao no hialoha lalana anao, ary ny TOMPO mihitsy no ho vodilalanao.


i Ahihezera zanak’i Hamisaday no avy amin’ny fokon’i Dana;


ny an’ny fokon’i Benjamîna dia notarihin’Abidàna, zanakalahin’i Gidehônỳ.


ny an’ny fokon’i Asera dia notarihin’i Pagihiela, zanakalahin’i Hôkràna;


Ny mpisorona fito mpitondra trompetra no nandroso sady nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasina. Ny andian-tafika mpamaky lay nialoha ireo mpisorona ireo ary ny vodilalana kosa nanaraka ny Vatamasina. Teny am-pandehanana dia notsofina hatrany ny trompetra.


Ny andian-tafika mpamaky lay no nialoha ireo mpisorona ireo ary ny vodilalana kosa nanaraka ny Vatamasina. Teny am-pandehanana, dia notsofina hatrany ny trompetra.