Nomery 10:15 - DIEM PROTESTANTA ny an’ny fokon’i Jisakara dia notarihin’i Natanaela, zanakalahin’i Tsohara; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’Isakara dia i Netanela, zanak’i Zoara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny an’ny fokon’i Jisakara dia notarihin’i Natanaela, zanakalahin’i Tsohara; Baiboly Katolika Ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Isakara, dia nofehezin’i Natanaely zanak’i Soara; Baiboly Protestanta Malagasy Ary Netanela, zanak’i Zoara, no mpifehy ny antokon’ny firenena taranak’Isakara. Malagasy Bible Ary Netanela, zanak'i Zoara, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'Isakara. La Bible en Malgache Ny mpifehy ny antokon’ny taranak’Isakara dia i Netanela, zanak’i Zoara. |
Ny fanevan’i Joda mbamin’ny antokon-tafiny no niainga voalohany. Ny tafiky ny taranak’i Joda dia notarihin’i Nahasôna, zanakalahin’i Haminadaba;