Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 9:4 - DIEM PROTESTANTA

Ry i Jesoa sy i Binoy, i Kadmiela sy i Sebanià, i Bony sy Serebià, ary i Banỳ sy i Kenany dia nitsangana teo ambonin’ny lampihazo natokana ho an’ny levita ka nitaraina mafy tamin’ny TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazon’ny levita i Josoa, i Bany, i Kadmiela, i Sebania, i Bony, i Serebia, i Bany ary i Kenany ka nitaraina mafy tamin’ny Tompo Andriamaniny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ry i Jesoa sy i Binoy, i Kadmiela sy i Sebanià, i Bony sy Serebià, ary i Banỳ sy i Kenany dia nitsangana teo ambonin’ny lampihazo natokana ho an’ny levita ka nitaraina mafy tamin’ny TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Niakatra teo amin’ny lampihazon’ny Levita i Jôsoe, i Banỳ, i Kedmiela, i Sabaniasa, i Bonỳ, i Sarebiasa, i Banỳ, sy i Kananì, ka nitaraina tamin’ny feo avo tamin’i Iaveh Andriamaniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin’ny lampihazon’ny Levita ka nitaraina mafy tamin’i Jehovah Andriamaniny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin'ny lampihazon'ny Levita ka nitaraina mafy tamin'i Jehovah Andriamaniny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazon’ny levita* i Josoa, i Bany, i Kadmiela, i Sebania, i Bony, i Serebia, i Bany ary i Kenany ka nitaraina mafy tamin’ny Tompo Andriamaniny.

Jereo ny toko



Nehemia 9:4
13 Rohy Ifampitohizana  

Nitsangana kosa ny levita, anisan’ny tarika kehatita sy kôrahita, mba hidera ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, tamin’ny feo mafy tokoa.


Ny levita kosa dia ireto avy: i Jesoa sy i Binoy ary i Kadmiela mbamin’i Serebià sy i Jehodà ary i Matanià. Ity Matanià ity sy ny havany no mpiventy hira fiderana,


Nanarakaraka an’i Nehemià, dia namboatra koa ny levita notarihin’i Rehoma zanakalahin’i Banỳ; ary teo an-kilan’ireo i Hasabià, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Kehilà, dia namboatra ny manda ho an’ny faritra feheziny.


Teo ambony lampihazo vao narafitra ho an’io fotoana io no nitsanganan’i Hezrà mpahay lalàna. Ary nitsangana teo anilany ankavanana ry i Matitià sy i Sema, i Hanaià sy i Orià ary i Hilkià sy i Mahaseià; teo ankaviany kosa ry i Pedaià sy i Misaela, i Malkià sy i Hasoma, i Hasbadanà sy i Zakarià ary i Mesolama.


Dia nitsangana indray ny olona ka samy nijanona teo amin’ny toerany avy. Ary ny levita, ry i Jesoa sy i Banỳ, i Serebià sy i Jamina, i Hakoba sy i Sabetahy, i Hôdià sy i Mahaseià, i Kelità sy i Hazarià, i Jôzabada sy i Hanàna ary i Pelaià, dia nampianatra ny vahoaka ny lalàna.


Avy eo ry i Jesoa sy i Kadmiela, i Banỳ sy i Hasabneià, i Serebià sy i Hôdià, ary i Sebanià sy i Petahià, izay samy levita, dia niteny hoe: –Mitsangàna ka ankalazao ny TOMPO, ilay Andriamanitrareo hatrizay ka ho mandrakizay! «Hankalazaina anie, TOMPO ô, ny anaranao malaza izay ambonin’ny fisaorana sy fiderana rehetra!


Hira fiakarana. Anaty hantsam-pahoriana aho no miantso Anao, ry TOMPO.


Nefa Ianao, TOMPO ô, no ampinga miaro ahy; Ianao no voninahitro sy mampitraka ahy.


Tao amin’ny tahirin-kiran’i Jedotòna filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Asafa.


Nikiakiaka niantso vonjy aho; fa nosakanany ny fivavako.


Avy nilaza izany i Jesoa, dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: –Mivoaha tao, ry Lazara!


Dia nandohalika izy ka niteny mafy hoe: –Tompo ô, aza tananao hahadiso azy ireo izao heloka izao!