Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 6:18 - DIEM PROTESTANTA

Betsaka manko ny Jiosy efa nianiana niray tetika taminy, noho izy vinanton’i Sekanià zanakalahin’i Ara; ary i Jôhanàna zanakalahin’i Tôbià koa efa nanambady ny zanakavavin’i Mesolama zanakalahin’i Berekià.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa nisy maro tany Joda izay efa nianiana niray tetika taminy satria vinanton’i Sekania, zanak’i Ara, izy; ary efa nanambady ny zanakavavin’i Mesolama zanak’i Berekia i Johanana zanany lahy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Betsaka manko ny Jiosy efa nianiana niray tetika taminy, noho izy vinanton’i Sekanià zanakalahin’i Ara; ary i Jôhanàna zanakalahin’i Tôbià koa efa nanambady ny zanakavavin’i Mesolama zanakalahin’i Berekià.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

satria maro tamin’ny lehiben’i Jodà no efa tafaray taminy tamin’ny fianianana, noho izy vinanton’i Sekeniasa zanak’i Areà, sy noho i Johanàna zanany lahy nanambady ny zanaka vavin’i Mosolama, zanak’i Barakia.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa nisy maro tany Joda efa nianiana niray tetika taminy, satria vinanton’i Sekania, zanak’i Ara, izy; ary Johanana zanani-lahy efa nanambady ny zanakavavin’i Mesolama, zanak’i Berekia.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa nisy maro tany Joda efa nianiana niray tetika taminy, satria vinanton'i Sekania, zanak'i Ara, izy; ary Johanana zananilahy efa nanambady ny zanakavavin'i Mesolama, zanak'i Berekia.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa nisy maro tany Joda izay efa nianiana niray tetika taminy satria vinanton’i Sekania, zanak’i Ara, izy; ary efa nanambady ny zanakavavin’i Mesolama zanak’i Berekia i Johanana zanany lahy.

Jereo ny toko



Nehemia 6:18
7 Rohy Ifampitohizana  

Ny taranak’i Hananià dia i Pelatià sy i Jesahià mbamin’ireo zanakalahin-dry i Refaià sy i Arnàna ary i Hôbadià sy i Sekanià.


ny terak’i Arà dia nisy lehilahy 775;


Nanarakaraka an’i Semahià, dia namboatra laniny hafa i Hananià, zanakalahin’i Selemià, sy i Hanona, fahenin’ny zanakalahin’i Tsalafa; nanarakaraka azy roa lahy, dia i Mesolama zanak’i Berekià no namboatra tandrifin’ny efitranony.


Teo an-kilan’ireo no namboatra ny manda i Meremôta zanakalahin’i Onà sy zafin’i Hakôtsa; nanarakaraka azy i Mesolama zanakalahin’i Besekià sy zafin’i Mesezabela; ary nanarakaraka io indray i Tsadôka zanakalahin’i Bahanà.


Tamin’izay ny loholona jiosy dia nampitondra taratasy maro ho any amin’i Tôbià; ary ny taratasy avy tamin’i Tôbià kosa tonga atỳ amin’ireo loholona ireo.


Nanao tsara laza an’i Tôbià teo anatrehako ry zareo sady nitatitra ny teniko tany aminy; i Tôbià kosa nampitondra taratasy hampitahotra ahy.


ny terak’i Ara dia nisy lehilahy 652;