Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 6:17 - DIEM PROTESTANTA

Tamin’izay ny loholona jiosy dia nampitondra taratasy maro ho any amin’i Tôbià; ary ny taratasy avy tamin’i Tôbià kosa tonga atỳ amin’ireo loholona ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’izany andro izany ny olo-manankaja amin’ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin’i Tobia ary ny avy tamin’i Tobia kosa dia tonga tany aminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izay ny loholona jiosy dia nampitondra taratasy maro ho any amin’i Tôbià; ary ny taratasy avy tamin’i Tôbià kosa tonga atỳ amin’ireo loholona ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tamin’izany andro izany ny lehibe sasany tamin’i Jodà dia nampitombo ho maro ny taratasy nalefany tany amin’i Tobia, ary ny taratasin’i Tobia koa tonga nankatỳ amin’izy ireo;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’izany andro izany ny manan-kaja amin’ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin’i Tobia, ary ny avy tamin’i Tobia kosa tonga tany aminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'izany andro izany ny manan-kaja amin'ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin'i Tobia, ary ny avy tamin'i Tobia kosa tonga tany aminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’izany andro izany ny olo-manankaja amin’ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin’i Tobia ary ny avy tamin’i Tobia kosa dia tonga tany aminy.

Jereo ny toko



Nehemia 6:17
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny anankiray tamin’ny zanakalahin’i Jôiadà sady zafin’i Eliasiba mpisorombe dia vinantolahin’i Sanebalato ilay Hôrônita, ka dia noroahiko niala tao Jerosalema.


Talohan’izany i Eliasiba mpisorona no voatendry ho mpiandraikitra ny efitrano fanampiny ao an-tranon’Andriamanitra. Noho izy mpihavana akaiky tamin’i Tôbià,


Teo an-kilan’i Tsadôka dia namboatra koa ny mponin’i Tekôa, nefa ny loholony tsy nety hofehezin’ireo mpiandraikitra ny asa.


Koa nanapa-kevitra anakampoko aho fa ny loholona sy mpanapaka no hanariko noho izy samy nampanàna zavatra tamin’ny mpiray firenena aminy. Dia nampanao fivoriam-be hitsarana azy aho


Rehefa ren’ny fahavalonay tamin’ny firenena manodidina rehetra izany, dia raiki-tahotra ry zareo sady nahatsapa ny maha tsinontsinona azy. Ary niaiky ireo fahavalonay fa ilay Andriamanitray no nahavitana izany asa izany.


Betsaka manko ny Jiosy efa nianiana niray tetika taminy, noho izy vinanton’i Sekanià zanakalahin’i Ara; ary i Jôhanàna zanakalahin’i Tôbià koa efa nanambady ny zanakavavin’i Mesolama zanakalahin’i Berekià.