I Semahià zanany dia niteraka zazalahy maromaro izay samy olom-banona ka tonga mpanapaka tao amin’ny isam-pianakaviany avy.
Nehemia 11:14 - DIEM PROTESTANTA ary koa lehilahy tomady 128 iray tarika amin’i Hamasay, ka ny mpifehy azy dia i Zabdiela zanakalahin’i Gedôlima. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 mbamin’ny rahalahin’ireo, dia lehilahy mahery valo amby roapolo amby zato; i Zabdiela, zanak’i Hagedolima, no mpifehy azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary koa lehilahy tomady 128 iray tarika amin’i Hamasay, ka ny mpifehy azy dia i Zabdiela zanakalahin’i Gedôlima. Baiboly Katolika mbamin’ny rahalahin’ireo, samy lehilahy mahery: 128. I Zabdiela zanak’i Hagdolima no mpifehy azy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy mbamin’ny rahalahin’ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak’i Hagedolima, no mpifehy azy. Malagasy Bible mbamin'ny rahalahin'ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak'i Hagedolima, no mpifehy azy. La Bible en Malgache mbamin’ny rahalahin’ireo, dia lehilahy mahery valo amby roapolo amby zato; i Zabdiela, zanak’i Hagedolima, no mpifehy azy. |
I Semahià zanany dia niteraka zazalahy maromaro izay samy olom-banona ka tonga mpanapaka tao amin’ny isam-pianakaviany avy.
Ireo mbamin’ny mpisorona havany, izay samy lohan’ny fianakaviany avy, dia nisy 1 760: lehilahy mahery teo amin’ny fanaovana fanompoana tao an-tranon’Andriamanitra izy rehetra.
ary koa lehilahy 242 iray tarika amin’i Hadaià, izay samy loham-pianakaviana avy; i Hamasay, zanakalahin’i Hazarela sy zafin’i Ahezay sy zafiafin’i Meselemôta ary zafin-dohalik’i Imera,
Tamin’ny levita dia ireto avy: i Semahià, zanakalahin’i Hasoba sy zafin’i Hazrikama sy zafiafin’i Hasabià ary zafin-dohalik’i Bony;
Ny mpifehy ny levita tao Jerosalema dia i Hozy, zanakalahin’i Banỳ sy zafin’i Hasabià sy zafiafin’i Matanià ary zafin-dohalik’i Mikà; i Hozy dia anisan’ny tarik’i Asafa, ilay tarika mpihira miadidy ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra.
Nijanona tao ihany koa ry i Mahaseià sy i Semahià, i Elehazara sy i Hozy, i Jôhanàna sy i Malkià, ary i Helama sy i Hezera. Dia nihira mafy ny mpihira teo ambany fitarihan’i Jizrahià.