Novidîny vola zato kesita tamin’ny taranak’i Hamôra, mpanorina ny tanàna Sekema, ny sombin-tany teo amin’ny saha izay nanorenany ny lainy.
Mpitsara 9:28 - DIEM PROTESTANTA Ary i Gahala nanontany azy ireo hoe: –Fa iza moa isika eto Sekema no hanaiky hanjakan’i Abimelèka? Ary mba iza moa izy fa tsy zanakalahin’i Jerobahala ary tsy i Zebola ve no nampitondrainy ny tanàna? Koa aoka ianareo tsy hivadika amin’ireo taranak’i Hamôra, ilay mpanorina an’i Sekema! Tsy misy antony tokony hanompoantsika an’i Abimelèka akory. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy i Gala, zanak’i Ebeda: Iza moa i Abimeleka, ary iza moa i Sekema, no hanompo an’i Abimeleka isika? Tsy zanak’i Jerobaala va izy io? Ary tsy i Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak’i Hamora, rain’i Sekema ianareo; fa nahoana isika no hanompo an’i Abimeleka? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Gahala nanontany azy ireo hoe: –Fa iza moa isika eto Sekema no hanaiky hanjakan’i Abimelèka? Ary mba iza moa izy fa tsy zanakalahin’i Jerobahala ary tsy i Zebola ve no nampitondrainy ny tanàna? Koa aoka ianareo tsy hivadika amin’ireo taranak’i Hamôra, ilay mpanorina an’i Sekema! Tsy misy antony tokony hanompoantsika an’i Abimelèka akory. Baiboly Katolika Dia hoy i Gaala zanak’i Obeda hoe: «Iza moa i Abimeleka, ary zovy moa i Sikema, no hotompointsika? Tsy zanak’i Jerobaala va izy, ary tsy i Zebola va no lefiny? Ianareo no manompoa ny taranak’i Emôra, rain’i Sikema. Fa raha izahay, ahoana ange no hanompoanay an’i Abimeleka? Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Gala, zanak’i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak’i Jerobala va izy? Ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak’i Hamora, rain’i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika? Malagasy Bible Ary hoy Gala, zanak'i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak'i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak'i Hamora, rain'i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika? La Bible en Malgache Hoy i Gala, zanak’i Ebeda: Iza moa i Abimeleka, ary iza moa i Sekema, no hanompo an’i Abimeleka isika? Tsy zanak’i Jerobaala va izy io? Ary tsy i Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak’i Hamora, rain’i Sekema ianareo; fa nahoana isika no hanompo an’i Abimeleka? |
Novidîny vola zato kesita tamin’ny taranak’i Hamôra, mpanorina ny tanàna Sekema, ny sombin-tany teo amin’ny saha izay nanorenany ny lainy.
Nahita an’i Dinà i Sekema zanakalahin’i Hamôra izay hivita lehiben’ny faritany, ka naka azy an-keriny sy nandry taminy.
Fa nisy olona tena ratsy fanahy teo natao hoe Sebà, zanakalahin’i Bikrỳ sady Benjaminita. Nitsoka anjomara izy sady nanao hoe: –Tsy manana anjara amin’i Davida isika ary tsy misy zavatra iombonantsika amin’io zanakalahin’i Jisay io! Samia mody any amin’ny fonenany avy, ry Israelita ô!
Rehefa tsapan’ny Israelita tavaratra rehetra fa tsy nankatoavin’ny mpanjaka ny fitakiany, dia hoy ny navalin’ireo hoe: –Tsy manana anjara amin’i Davida isika na manana anjara lova amin’ny zanakalahin’i Jisay. Samia mody any an-tranony avy isika, ry Israelita tavaratra; ary ianao kosa, ry zafikelin’i Davida, karakarao ny fanjakanao! Dia samy nody ho any an-tranony avy ny Israelita tavaratra rehetra.
Indray andro dia tonga tao Sekema i Gahala zanakalahin’i Hebeda, sy ireo rahalahiny; ary nametraka fitokiana taminy ny mponin’i Sekema.
Ary i Abimelèka dia nandeha nipetraka tao Aromà; fa i Zebola kosa nandroaka an’i Gahala sy ny rahalahiny tao Sekema mba tsy honina ao intsony.
Nefa namaly ireo mpanompon’i Davida i Nabala hoe: –I Davida zanakalahin’i Jisay hoe? Iza moa izany? Maro ankehitriny ireo mpanompo izay mitsoaka mandositra ny tompony.