Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 8:3 - DIEM PROTESTANTA

Fa teo an-tananareo no nanoloran’Andriamanitra an’i Hôreba sy i Zeeba lehiben’ny Midianita. Koa inona izay vitako raha oharina amin’ny nataonareo? Dia nitony ny fahatezeran’ireo Efraîmita, rehefa nandre izany tenin’i Gidehôna izany izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Teo an-tananareo no nanoloran’Andriamanitra ny manamboninahitry ny Midianita, dia i Oreba sy i Zeba. Inona no azoko atao raha oharina amin’ny nataonareo? Rehefa nilaza izany teny izany i Gideona dia nitony ny fahatezeran’ireo taminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa teo an-tananareo no nanoloran’Andriamanitra an’i Hôreba sy i Zeeba lehiben’ny Midianita. Koa inona izay vitako raha oharina amin’ny nataonareo? Dia nitony ny fahatezeran’ireo Efraîmita, rehefa nandre izany tenin’i Gidehôna izany izy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa teo an-tananareo no natolotr’i Iaveh ny andrian’i Madiàna, Oreba sy Zeba. Ka zinona no mety ho vitako raha oharina aminareo?» Nony efa niteny izany izy, dia nionona ny hatezeran’izy ireo taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Teo an-tànanareo no nanoloran’Andriamanitra ny andrianan’ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin’ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran’ireo taminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Teo an-tananareo no nanoloran'Andriamanitra ny andrianan'ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin'ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran'ireo taminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Teo an-tananareo no nanoloran’Andriamanitra ny manamboninahitry ny Midianita, dia i Oreba sy i Zeba. Inona no azoko atao raha oharina amin’ny nataonareo? Rehefa nilaza izany teny izany i Gideona dia nitony ny fahatezeran’ireo taminy.

Jereo ny toko



Mpitsara 8:3
15 Rohy Ifampitohizana  

Aza izahay, ry TOMPO ô, aza izahay fa Ianao ihany no omem-boninahitra, noho ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky.


Norobainao ireo firenen-kafa mba hamponenana ny firenenay; nampahorînao ireo vahoakany mba hanomezan-toerana ny vahoakanao.


Famaliana am-pitiavana mampitony hatezerana; fa teny mitratreva kosa mahatonga havinirana.


Ny tena mahery dia izay maharesy ny hatezerany, fa aleo mahafehy tena toy izay mahafehy tanàna.


Toy ny paoma volamena voahaingo volafotsy, no hasarobidin’ny teny lazaina amin’ny ilàna azy.


Izay manam-paharetana no maharesy lahatra mpitsara; ary ny teny malefaka mampilefitra ny henjana.


Amin’izany manko dia marina ilay ohabolana hoe: «Ny iray mamafy ary ny iray kosa mijinja.»


Noho ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy, dia izao lazaiko aminareo tsirairay avy: aza mihevi-tena mihoatra ny tokony hiheverana ny tena, fa aoka samy hihevi-tena amim-pahendrena, araka ny anjara finoana nomen’Andriamanitra azy avy.


Manana fanomezana samihafa isika, araka ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra antsika. Raha misy manana ny fanomezana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra, dia aoka hanao izany mifanaraka amin’ny finoana.


aza manao na inona na inona raha asesiky ny fifampiandaniana na ny filàn-dera foana, fa samia manetry tena manoloana ny namana ary aoka samy hanao ny namana ho ambony noho ny tena.


Fa namaly azy i Gidehôna ka nanao hoe: –Inona moa izay nataoko raha mitaha amin’ny zava-bitanareo? Moa tsy ny firotsahanareo Efraîmita na dia teo amin’ny sehatra kely aza ve no tsara lavitra noho ny nataon’ny tarika abihezerita fiaviako?


Ary tonga teo Jôrdàna i Gidehôna sy ireo telonjato lahy niaraka taminy ka niampita. Efa reraka izy ireo nefa mbola nanenjika ny fahavalony ihany.