Nanomboka hatreo i Gidehôna dia nantsoina hoe Jerobahala, izany hoe «Aoka hiaro tena i Bahala»; ny antony moa dia ny amin’ny tenin’i Jôasy hoe: «Aoka hiaro tena i Bahala satria ny alitarany no noravana!»
Mpitsara 8:29 - DIEM PROTESTANTA Ary i Jerobahala na hoe Gidehôna, zanakalahin’i Jôasy, dia niverina nonina tany an-tranony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lasa nandeha i Jerobaala, zanak’i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Jerobahala na hoe Gidehôna, zanakalahin’i Jôasy, dia niverina nonina tany an-tranony. Baiboly Katolika Ary nody i Jerobaala zanak’i Jôasy, ka nonina tao an-tranony. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandeha Jerobala, zanak’i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony. Malagasy Bible Dia nandeha Jerobala, zanak'i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony. La Bible en Malgache Lasa nandeha i Jerobaala, zanak’i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony. |
Nanomboka hatreo i Gidehôna dia nantsoina hoe Jerobahala, izany hoe «Aoka hiaro tena i Bahala»; ny antony moa dia ny amin’ny tenin’i Jôasy hoe: «Aoka hiaro tena i Bahala satria ny alitarany no noravana!»
Vao maraina be i Gidehôna, izay nantsoina koa hoe Jerobahala, no niainga niaraka tamin’ny tafiny manontolo ka nandeha nitoby teo akaikin’i Haîna-Harôda. Ny tobin’ny Midianita kosa dia terỳ avaratra, teo amin’ny lemaka anilan’ny havoana Môre.
Resin’ny Israelita hatreo ny Midianita ka tsy nahatraka tamin’ny fahareseny intsony; koa nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona nahaveloman’i Gidehôna.
Ary ny TOMPO naniraka an’i Gidehôna sy i Bedàna sy i Jeftà, ary farany ny tenako i Samoela, mba hamonjy anareo amin’ny fahavalo nanodidina anareo; koa dia nonina tsy nanana ahiahy teto amin’ny tany ianareo.