ary ny mampihatra amin’ireny ny fitsarana voarakitra an-tsoratra: izany sy izany no zavatra ireharehana ho an’izay rehetra mpivavaka amin’ny Tompo. Haleloià!
Mpitsara 8:20 - DIEM PROTESTANTA Ary nandidy an’i Jetera zanany lahimatoa i Gidehôna hoe: –Mitsangàna, vonoy ho faty ireo! Fa tsy sahy nanatsoaka ny sabany ilay zatovolahy, satria mbola tanora loatra izy ka natahotra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy izy tamin’i Jetera lahimatoany: Mitsangàna, vonoy izy roa lahy! Fa tsy nanatsoaka ny sabany ilay zatovo fa natahotra: Mbola tanora fanahy loatra izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nandidy an’i Jetera zanany lahimatoa i Gidehôna hoe: –Mitsangàna, vonoy ho faty ireo! Fa tsy sahy nanatsoaka ny sabany ilay zatovolahy, satria mbola tanora loatra izy ka natahotra. Baiboly Katolika Ary hoy izy tamin’i Jetera zanany lahimatoa: «Mitsangàna, ka vonoy ireo.» Fa tsy nanatsoaka ny sabany ity zatovo fa natahotra izy satria mbola tanora. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy tamin’i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy. Malagasy Bible Ary hoy izy tamin'i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy. La Bible en Malgache Dia hoy izy tamin’i Jetera lahimatoany: Mitsangàna, vonoy izy roa lahy! Fa tsy nanatsoaka ny sabany ilay zatovo fa natahotra: Mbola tanora fanahy loatra izy. |
ary ny mampihatra amin’ireny ny fitsarana voarakitra an-tsoratra: izany sy izany no zavatra ireharehana ho an’izay rehetra mpivavaka amin’ny Tompo. Haleloià!
Ary nony naseho teo anatrehan’i Josoa ireo mpanjaka ireo, dia namory ny lehilahy israelita rehetra i Josoa ka niteny tamin’ny mpitari-tafika niara-nikatroka taminy nanao hoe: –Manatona ianareo, ka hitsaho ny vozon’ireo mpanjaka ireo. Dia nanatona izy ka nanitsaka ny vozon’ireo mpanjaka ireo.
Fa hoy i Gidehôna taminy: –Rahalahiko, zanakalahin’ny reniko mihitsy ireny. Velona ny TOMPO ka mianiana aho fa raha tsy novonoinareo ho faty ireny, dia tsy hovonoiko ho faty koa ianareo!
Dia hoy i Zebaha sy i Tsalmonà tamin’i Gidehôna: –Aoka ny tenanao mihitsy no hamono hahafaty anay, satria adidin’ny lehilahy mahery fo ny manao izany! Dia nitsangana i Gidehôna ka namono hahafaty ireo mpanjaka roa lahy; ary nalainy ny firavaka nihantona teny am-bozon’ireo ramevany.
Nefa hoy i Samoela taminy: –Ny sabatrao no tsy nananan’ny vehivavy maro ny zanany. Dia notetehin’i Samoela tamin’ny sabatra teo anatrehan’ny TOMPO tao Gilgala i Agaga.