Fa namaly azy i Abrama hoe: –Atsangako amin’ny TOMPO Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany ny tanako
Mpitsara 5:19 - DIEM PROTESTANTA Tonga hiady ireo mpanjakan’i Kanahàna ka dia nanafika tao Tahenàka, teo akaikin’ny loharanon’i Megidao, nefa tsy nahazo na babo na volafotsy! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady ireo mpanjakan’i Kanana, tany Tanàka, teo anilan’ny ranon’i Megido nefa tsy nisy volafotsy azony ho babo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tonga hiady ireo mpanjakan’i Kanahàna ka dia nanafika tao Tahenàka, teo akaikin’ny loharanon’i Megidao, nefa tsy nahazo na babo na volafotsy! Baiboly Katolika Tonga ireo mpanjaka ka nandrafitra ady izy ireo, nandrafitra ady tamin’izay ireo mpanjakan’i Kanaana, dia tao Tanàka teo amoron’ny ranon’i Magedao, fa tsy nahazo na dia akoram-bolafotsy iray aza. Baiboly Protestanta Malagasy Tonga ireo mpanjaka ka niady, Eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan’i Kanana, Dia teo anilan’ny ranon’i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo. Malagasy Bible Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan'i Kanana, dia teo anilan'ny ranon'i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo. La Bible en Malgache Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady ireo mpanjakan’i Kanana, tany Tanàka, teo anilan’ny ranon’i Megido nefa tsy nisy volafotsy azony ho babo. |
Fa namaly azy i Abrama hoe: –Atsangako amin’ny TOMPO Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany ny tanako
Ary niala teo anatrehan’ny TOMPO i Kaina, ka nonina tao amin’ny tanin’i Nôda, any atsinanan’i Hedena.
i Bahanà zanakalahin’i Ahiloda no nisahana an’i Tahanàka sy i Megidao ary ny faritr’i Bety-Seàna manontolo (ny faritr’i Bety-Seàna dia mihazo anilan’i Tsaretàna eo ambanin’i Jizrehela ary mipaka any Bety-Seàna sy Abela Mehôlà ka hatrany ankoatran’i Jôknehama);
Tamin’ny andro nanjakany no nitondran’ny Farao Nekao mpanjakan’i Ejipta ny tafiny ho any amoron’i Eofrata mba hanampy ny mpanjakan’i Asiria. Ary nandeha i Jôsià mba hifanehatra aminy; kanjo vantany vao hitan’ny Farao izy, dia novonoiny ho faty tao Megidao.
Kanefa i Jôsià tsy niova hevitra fa nitady izay hiadiana tamin’i Nekao; tsy nety nihaino ny teny izay nampilazain’Andriamanitra an’i Nekao izy, fa nody olon-kafa mba tsy ho fantatra ka nandeha niady taminy ihany tao amin’ny lemak’i Megidao.
Tao amin’ny faritanin’i Jisakara sy i Asera dia nahazoan’ny fokon’i Manase an’ireto tanàna ireto: i Bety-Seana sy i Iblehama mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy; i Dôra sy i Haîna-Dôra ary i Tahenàka sy i Megidao mbamin’ny mponina ao aminy avy sy ny tanàna kely samy miankina aminy, izany hoe ny faritanin’i Dôra.
Dia novorin’ireo fanahy maloto ireo ny mpanjakan’ny tany ho any amin’ilay toerana atao hoe Harmagedôna amin’ny teny hebreo.
Ary hitako nivory ilay biby sy ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny, mba hiady amin’Ilay mitaingina soavaly fotsy sy amin’ny tafiny.
Ary ny taranak’i Manase dia tsy naharoaka ny mponina tao Bety-Seàna sy Tahenàka na ny tao Dôra sy Jiblehama ary Megidao na tamin’ireo tanàna madinika samy miankina aminy avy; koa nanohy nipetraka tamin’izany faritany izany hatrany ny Kanahanita.
Koa novoriny tao Harôseta-Gôima ny kalesiny vy sivinjato sy ny miaramilany rehetra; dia avy teo izy no nankany amin’ny renirano Kisôna.
«Manangona babo izay ny miaramila, ary mbola eo am-pizaràna azy: tovovavy iray na roa isaky ny mahery fo; karazan-damba miloko samy hafa sady vita peta-kofehy ho an’i Siserà; eny, lamba vita peta-kofehy anatiny sy ivelany no hahodidina ny vozon’ilay mpamabo.»