Izaho sy ny olona rehetra miaraka amiko kosa hanatona ny tanàna; ary rehefa mivoaka hifanehatra aminay toy ny tamin’ny voalohany ny mponin’i Hay, dia handositra eo anoloany izahay.
Mpitsara 20:32 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izay dia nihevitra ho naharesy ny Israelita toy ny teo aloha izy; kinanjo nanapa-kevitra ny Israelita fa hanao tari-dositra mba hisarika ny Benjaminita ho any amin’ny lalana mankany an-tsaha ka hanalavitra an’i Gibehà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy ny taranak’i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak’Israely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin’ny tanàna ka ho any an-dalambe. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay dia nihevitra ho naharesy ny Israelita toy ny teo aloha izy; kinanjo nanapa-kevitra ny Israelita fa hanao tari-dositra mba hisarika ny Benjaminita ho any amin’ny lalana mankany an-tsaha ka hanalavitra an’i Gibehà. Baiboly Katolika Hoy ny taranak’i Benjamina: «Indro fa resy eo anoloantsika toy ny taloha ihany izy ireo.» Fa hoy kosa ny zanak’i Israely: «Ndeha handositra ka ataovy tari-dositra hanalavitra ny tanàna amin’ireo lalana ireo.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy ny taranak’i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo alona ihany izy. Fa hoy ny Zanak’Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin’ny tanàna ho any an-dàlambe. Malagasy Bible Ary hoy ny taranak'i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak'Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin'ny tanàna ho any an-dalambe. La Bible en Malgache Ary hoy ny taranak’i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak’Israely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin’ny tanàna ka ho any an-dalambe. |
Izaho sy ny olona rehetra miaraka amiko kosa hanatona ny tanàna; ary rehefa mivoaka hifanehatra aminay toy ny tamin’ny voalohany ny mponin’i Hay, dia handositra eo anoloany izahay.
Hivoaka hanenjika anay ireo ka hotarihinay ho lavitra ny tanàna. Hoheveriny manko fa mandositra eo anoloany toy ny tamin’ny voalohany izahay.
Fa nivoaka hiady aminy kosa ny Benjaminita ka voatarika handeha lavitra ny tanàna. Ary toy ny teo aloha dia nanomboka namely ny Israelita izy ka nahafaty tokony ho telopolo lahy teny an-dalana mankany Betela sy mankany Gibehôna.
Dia niainga avy tamin’ireo toerana rehetra nisy azy ny Israelita ka nilahatra hiady tao Bahala-Tamara; tamin’izay kosa ny miaramila israelita niafina dia nipoitra avy tao amin’ny fiereny teo andrefan’i Geba.
Koa rehefa nihemotra an’ady ny Israelita ka nahafatesana tokony ho telopolo lahy, dia nihevitra ho naharesy azy tahaka ny teo aloha ny Benjaminita.