Fa nasain’i Jerôbohama nandroso ny miaramila mpanotrika mba hamely tampoka ny fahavalo avy eo ivoho, hany ka ny tafika israelita tavaratra no teo anoloan’ny Jodeanina ary ny mpanotrika no teo ivohony.
Mpitsara 20:14 - DIEM PROTESTANTA Fa tonga avy any amin’ny tanàna samihafa izy ireo ka vory tao Gibehà mba hiady amin’ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nivory avy tamin’ny tanànany rehetra ny taranak’i Benjamina hankany Gibea mba handeha hiady amin’ny Zanak’Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa tonga avy any amin’ny tanàna samihafa izy ireo ka vory tao Gibehà mba hiady amin’ny Israelita. Baiboly Katolika Koa nivoaka ny tanànany ny taranak’i Benjamina ka nivory tao Gabaà mba hiady amin’ny zanak’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nivory ny taranak’i Benjamina avy tamin’ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin’ny Zanak’Isiraely. Malagasy Bible Ary nivory ny taranak'i Benjamina avy tamin'ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely. La Bible en Malgache Ary nivory avy tamin’ny tanànany rehetra ny taranak’i Benjamina hankany Gibea mba handeha hiady amin’ny Zanak’Israely. |
Fa nasain’i Jerôbohama nandroso ny miaramila mpanotrika mba hamely tampoka ny fahavalo avy eo ivoho, hany ka ny tafika israelita tavaratra no teo anoloan’ny Jodeanina ary ny mpanotrika no teo ivohony.
Fa novalian’ny mpanjakan’i Edôma hoe: –Tsy mahazo mandalo eo ianareo. Dia nivoaka nitsena azy niaraka tamin’ny vahoaka marobe nirongo fiadiana ny Edômita.
Nefa i Sihôna tsy namela ny Israelita hamaky eo amin’ny taniny; fa nangoniny avokoa ny tafiny rehetra, ka lasa izy nitsena ny Israelita hatrany Jahatsà, any an-taniefitra ary niady taminy tao.
Atolory anay ny olo-meloka, dia ireo faikan’olona ao Gibehà, mba hovonoinay ho faty ka hataonay tsy hisy eto amin’ny tanin’Israely intsony ny ratsy. Kinanjo ny Benjaminita tsy nety nihaino ny feon’ireo Israelita mpiray firenena aminy.
Tamin’izany andro izany dia natao fanisana ny Benjaminita avy amin’ny tanàna manodidina, ka andiany 26 ny vatan-dehilahy kinga famely sabatra, afa-tsy ireo mponin’i Gibehà izay nanao fanisa-miaramila koa.