Manana zanakavavy roa mbola virijiny aho; hoentiko eto aminareo ireo hanaovanareo izay sitrakareo hatao aminy. Fa aza manao na inona na inona amin’ireo olona ireo, satria vahiniko ireo ary ao ambany tafon-tranoko.
Mpitsara 19:23 - DIEM PROTESTANTA Dia nivoaka nankeo amin’ireo faikan’olona ilay rangahy tompon-trano ka nanao taminy hoe: –Tsia, aza manao izany zava-dratsy izany ianareo, ry mpiray tanàna; fa iny lehilahy iny tonga mba hiantrano ato amiko, ka aza anaovanareo izany zavatra mamoafady izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nivoaka nankeo aminy Ralehilahy tompon-trano ka niteny taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, miangavy anareo aho, aza manao izay ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianareo! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nivoaka nankeo amin’ireo faikan’olona ilay rangahy tompon-trano ka nanao taminy hoe: –Tsia, aza manao izany zava-dratsy izany ianareo, ry mpiray tanàna; fa iny lehilahy iny tonga mba hiantrano ato amiko, ka aza anaovanareo izany zavatra mamoafady izany. Baiboly Katolika Fa nivoaka ny tompon-trano nankeo amin’izy ireo ka nanao taminy hoe: «Aoka, ry rahalahiko, mihanta aminareo aho, aza dia manao ratsy re; rehefa tafiditra ny tranoko io lehilahy io, dia aza manao izany zavatra mahafa-baraka izany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompon-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna hianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany hianareo. Malagasy Bible Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianareo. La Bible en Malgache Dia nivoaka nankeo aminy Ralehilahy tompon-trano ka niteny taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, miangavy anareo aho, aza manao izay ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianareo! |
Manana zanakavavy roa mbola virijiny aho; hoentiko eto aminareo ireo hanaovanareo izay sitrakareo hatao aminy. Fa aza manao na inona na inona amin’ireo olona ireo, satria vahiniko ireo ary ao ambany tafon-tranoko.
Nony tonga avy tany an-tsaha ireo zanakalahin’i Jakôba ka nandre ny vaovao, dia nahatsiaro ny tenany ho afa-baràka sady nirehi-pahatezerana mafy, satria zava-pady ny nandrian’i Sekema an-keriny tamin’ny zanakavavin’i Jakôba; fa zavatra tsy fanao izany tao Israely.
Fa hoy izy taminy: –Tsia, ranadahy, aza manao an-keriny ahy, fa tsy fanao eto Israely izany. Aza manao izany zava-pady izany.
dia hoentina hankeo anoloan’ny varavaran’ny tranon-drainy razazavavy ka hitora-bato azy ho faty ny mponina ao an-tanànany; zava-pady tokoa teo amin’i Israely manko no nataony, raha nijangajanga fony izy mbola tao an-tranon-drainy. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo aminareo.
Ary hotondroiko ilay lehilahy mitana zavatra tokony holevonina, ka hodorana amin’ny afo izy mbamin’izay rehetra azy satria nivadika tamin’ny fanekempihavanako izy ka nanao izay tsy fanao teo amin’i Israely.»
Dia nalaiko ny fatiny ary norasarasaiko; ka nandefasako toko iray avy isam-poko manerana ny tanin’i Israely, satria zavatra mahatsiravina sy fady tokoa eto Israely no nafitsok’ireo olona tao Gibehà ireo.