Niletsy sy nihareraka ireo andriamanitra ka tsy afa-mamonjy ny sarivongany intsony: na dia ny tenany aza lasan-ko babo.
Mpitsara 18:18 - DIEM PROTESTANTA koa raha nahita iretsy nitsofoka tao an-trano naka ny sampy mbamin’ny efôda sy ny terafima ary ny sarivongana metaly narendrika izy, dia nanontany azy hoe: –Inona no ataonareo ao? Ka hoy iretsy taminy: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Niditra tao amin’ny tranon’i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra, ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voarendrika. Dia hoy ilay mpisorona taminy: Inona no ataonareo eto? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara koa raha nahita iretsy nitsofoka tao an-trano naka ny sampy mbamin’ny efôda sy ny terafima ary ny sarivongana metaly narendrika izy, dia nanontany azy hoe: –Inona no ataonareo ao? Ka hoy iretsy taminy: Baiboly Katolika Nony tafiditra tao an-tranon’i Mikasy izy ireo, ka naka ny sarin-javatra voasikotra sy ny efôda ary ny terafima mbamin’ny zavatra anidina, dia hoy ilay mpisorona taminy: «Inona izato ataonareo?» Baiboly Protestanta Malagasy Dia niditra tao an-tranon’i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona hianareo? Malagasy Bible Dia niditra tao an-tranon'i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona ianareo? La Bible en Malgache Niditra tao amin’ny tranon’i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra, ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voarendrika. Dia hoy ilay mpisorona taminy: Inona no ataonareo eto? |
Niletsy sy nihareraka ireo andriamanitra ka tsy afa-mamonjy ny sarivongany intsony: na dia ny tenany aza lasan-ko babo.
Ry sabatra maranitra ô, kapao mihodin-kavanana sy mihodin-kavia, na aiza na aiza voatendry hamelezanao.
«Aza manao andriamani-tsiizy, aza manangana sarin-tsampy voasokitra na manao tsangambaton-tsampy, aza manorina vato voaravaka hiankohofana eo amin’ny taninareo; fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Ary niakatra izy dimy lahy nisafo ny faritr’i Laîsy ka nitsofoka tao an-trano ary naka ny sampy mbamin’ny efôda sy ny terafima ary ny sarivongana metaly narendrika. Ny mpisorona tamin’izay dia teo am-bavahadin’ny trano niaraka tamin’izy eninjato lahy nirongo fiadiana;
–Mangina ianao, ary tampeno ny vava! Andeha hiaraka aminay, dia ho mpisoron’ny fokonay ianao. Sa inona no tianao kokoa? Ho mpisorona amin’ny ankohonan’olon-tokana ve sa ho mpisorona amina tarika na foko israelita iray manontolo?