Ankoatra ny zanakavavin’ny Farao, dia nanambady vehivavy maro hafa firenena koa i Salômôna mpanjaka, dia vehivavy môabita sy hamônita sy edômita ary tsidônianina sy hetita.
Mpitsara 16:4 - DIEM PROTESTANTA Taorian’izany i Samsôna dia raiki-pitia tamin’ny vehivavy atao hoe Delilà izay nonina tao amin’ny lohasaha Sôrèka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa afaka izany dia nitia vehivavy iray, tany an-dohasaha Soreka, izy. Nantsoina hoe Delila izy io. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taorian’izany i Samsôna dia raiki-pitia tamin’ny vehivavy atao hoe Delilà izay nonina tao amin’ny lohasaha Sôrèka. Baiboly Katolika Taorian’izany dia vehivavy anankiray tany an-dohasahan’i Sôreka no tiany. Dalilà no anarany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa afaka izany, dia tia vehivavy atao hoe Delila tany an-dohasaha Soreka izy. Malagasy Bible Ary rehefa afaka izany, dia tia vehivavy atao hoe Delila tany an-dohasaha Soreka izy. La Bible en Malgache Rehefa afaka izany dia nitia vehivavy iray, tany an-dohasaha Soreka, izy. Nantsoina hoe Delila izy io. |
Ankoatra ny zanakavavin’ny Farao, dia nanambady vehivavy maro hafa firenena koa i Salômôna mpanjaka, dia vehivavy môabita sy hamônita sy edômita ary tsidônianina sy hetita.
–Tsy izany ve no nanotan’i Salômôna mpanjakan’i Israely? Kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy, teo amin’ny firenena maro. Fa notiavin’Andriamanitra izy ka nataony ho mpanjakan’i Israely manontolo; kanjo, na dia izy aza, dia nampanotain’ny vehivavy hafa firenena.
Tevana lalina ny tenin’ny vehivavy vadin’olona, ka izay voaozon’ny TOMPO no hianjera ao.
Fa mampidi-doza toy ny hady lalina ny mpivarotena ary toy ny lava-pantsakana ety ny vehivavy vadin’olona;
Na dia totoinao toy ny vary an-daona aza ny adala, dia tsy ho afaka aminy akory ny hadalàny.
Nitranga ireny zavatra ireny ho ohatra fananarana antsika, mba tsy hitsiriritantsika ny ratsy tahaka ny nahavoa an-dry zareo.
Dia natory tsara i Samsôna ambara-pisasaky ny alina. Fa nony nisasaka ny alina, dia nifoha izy; ka nobetainy ny lela-varavarana kopa-droan’ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolàna roa ary nongotany niaraka tamin’ny hidiny, dia nataony an-tsoroka ary nentiny ka napetrany teo an-tampon’ny tendrombohitra manoloana ny tanàna Hebrôna.
Ary niakatra hankany amin’ilay vehivavy ireo mpanjaka filistinina ka nanao taminy hoe: –Langolangoy i Samsôna mba hampahalala anao izay iavian’ny heriny lehibe sy ny fomba hahazoanay mandresy azy, dia hafatotray izy ka hofolahinay. Ary samy hanome anao vola sekela 1 100 avy izahay.