Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 11:40 - DIEM PROTESTANTA

Isan-taona ny vehivavy israelita dia mandeha mitomany mandritra ny efatra andro ny zanakavavin’i Jiftà, ilay Gilehadita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ny fandehanan’ny zazavavin’ny Israely isan-taona hankalaza ny zanakavavin’i Jefta gileadita, hefarana isan-taona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Isan-taona ny vehivavy israelita dia mandeha mitomany mandritra ny efatra andro ny zanakavavin’i Jiftà, ilay Gilehadita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ny fandehanan’ny zazavavin’ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin’i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ny fandehanan'ny zazavavin'ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin'i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ny fandehanan’ny zazavavin’ny Israely isan-taona hankalaza ny zanakavavin’i Jefta gileadita, hefarana isan-taona.

Jereo ny toko



Mpitsara 11:40
6 Rohy Ifampitohizana  

Intelo isan-taona i Salômôna no nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo amin’ny alitara izay naoriny ho an’ny TOMPO. Ary nampandoro vovo-javamanitra koa izy ho fanajana ny TOMPO. Izany no nampiasany ny tempoly.


I Jeremià dia nanao hira fitomaniana an’i Jôsià; ny mpihira rehetra koa na lahy na vavy dia mahatsiahy an’i Jôsià mandraka androany, rehefa manao hira fitomaniana, satria nanjary fanao teo amin’i Israely izany; ary indreo efa voasoratra ho anisan’ny hira fitomaniana ireny hira ireny.


no nahatonga azy ireo hampijoro sy handraikitra izany fanao izany ho an’ny tenany sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy: dia ny hankalaza isan-taona ireo andro roa ireo araka ny voasoratr’i Môrdôkay sy araka ny fotoana voatendry.


Nony afaka roa volana, dia niverina tany amin’ny rainy izy; ka notanterahin-drainy taminy tokoa izay voady efa nataony. Dia maty mbola virijiny razazavavy. Ary hatramin’izay dia nanjary fanao teo amin’ny Israelita izao fomba izao:


Nifamory ny vatan-dehilahin’i Efraîma, dia niampita an’i Jôrdàna ary tonga tao Tsafôna, ka niteny tamin’i Jiftà hoe: –Nahoana no nandeha niady tamin’ny Hamônita ianao, nefa tsy mba niantso anay handeha hiaraka aminao? Hodoranay aman-trano ianao anio.


Teo akaikin’ny fampisotroan-drano, ireo mpizara rano ho an’ny biby fiompy no nankalaza ny fandresen’ny TOMPO, dia fandresena nomeny ireo lehiben’i Israely fony injay nirotsaka hiady teo am-bavahadin’ny tanàna ilay vahoakan’ny TOMPO.