ny zanakalahin’i Dekera no tao Makatsa sy Sahalbima ary Bety-Semesy sy Elôna-Bety-Hanàna;
Mpitsara 1:35 - DIEM PROTESTANTA Nanohy nipetraka tao Hara-Heresa sy Aialôna ary Sahalbima ny Amôrita; kanjo tato aoriana dia nanjakan’ny taranak’i Efraîma sy i Manase izy, ka voatery nanompo azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny Amorita dia mbola nonina tany amin’ny tendrombohitra Heresa sy tany Aialona ary Salabima ihany; nefa nahery ny tanan’ny taranak’i Josefa ka nampanaovina fanompoana ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanohy nipetraka tao Hara-Heresa sy Aialôna ary Sahalbima ny Amôrita; kanjo tato aoriana dia nanjakan’ny taranak’i Efraîma sy i Manase izy, ka voatery nanompo azy. Baiboly Katolika ary nahazo toky ny Amôreana hitoetra ao Hara-Haresy sy Ajalôna ary Selebima fa nanampatra ny herin’ny tanany tamin’izy ireo kosa ny fianakavian’i Josefa, ka nampandoaviny hetra izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy fa tian’ny Amorita hitoerana indrindra ny tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy Salbima; nefa nahery ny tànan’ny taranak’i Josefa, ka dia nampanaovina fanompoana ireo. Malagasy Bible fa tian'ny Amorita hitoerana indrindra ny tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy Salbima; nefa nahery ny tanan'ny taranak'i Josefa, ka dia nampanaovina fanompoana ireo. La Bible en Malgache Fa ny Amorita dia mbola nonina tany amin’ny tendrombohitra Heresa sy tany Aialona ary Salabima ihany; nefa nahery ny tanan’ny taranak’i Josefa ka nampanaovina fanompoana ireo. |
ny zanakalahin’i Dekera no tao Makatsa sy Sahalbima ary Bety-Semesy sy Elôna-Bety-Hanàna;
Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.
Tamin’ny andro nanomezan’ny TOMPO fandresena ho an’ny Israelita teo anoloan’ny Amôrita, dia nivavaka tamin’ny TOMPO i Josoa ka niteny teo imason’ny Israelita hoe: –Ry masoandro, mijanona eo ambonin’ny lohasahan’i Aialôna!
Ny Amôrita kosa dia naharesy tosika ny taranak’i Dana teny amin’ny faritany be tendrombohitra ka tsy namela azy hidina teny amin’ny tany lemaka.
Ny faritanin’ny Edômita kosa miainga eo amin’ny fiakarana Hakrabima, dia eo amin’ny harambato no ho miakatra.