Takatr’i Jesoa anefa ny sain-dratsin’ireo ka hoy Izy taminy: –Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana no maka fanahy Ahy ianareo?
Matio 7:5 - DIEM PROTESTANTA Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo eo amin’ny masonao; izay ianao vao hahiratra tsara ka hahaisotra ny tapak’ahitra eo amin’ny mason-kavana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, fa amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo eo amin’ny masonao; izay ianao vao hahiratra tsara ka hahaisotra ny tapak’ahitra eo amin’ny mason-kavana. Baiboly Katolika Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao, ary raha efa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao. Baiboly Protestanta Malagasy Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao. Malagasy Bible Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao. La Bible en Malgache Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, fa amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao. |
Takatr’i Jesoa anefa ny sain-dratsin’ireo ka hoy Izy taminy: –Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana no maka fanahy Ahy ianareo?
Nahoana moa ianao no mahita ny tapak’ahitra eo amin’ny mason’ny havana iray finoana, nefa ny vatan-kazo eo amin’ny masonao tsy tandrinao akory?
Ary ahoana no hilazanao amin’ny havanao hoe: «Etsy hoesoriko ny tapak’ahitra eo amin’ny masonao», nefa jereo ange ity vatan-kazo eo amin’ny anao?
Ny zava-masina, aza omena ny alika, fandrao hifoteran’ny alika ianareo ka hoviravirainy; ary ny vatosoanareo, aza atsipy amin’ny kisoa, fandrao voahosihosiny.
Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo fantarina ny toetoetry ny tany aman-danitra, ka nahoana no tsy hainareo fantarina kosa izao andro diavintsika izao?
Fa hoy ny navalin’ny Tompo azy: –Mpihatsaravelatsihy raha ianareo! Amin’ny andro sabata, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin’ny fihinanam-bilona avy ianareo ka mitondra azy hisotro rano?
Fa i Jesoa kosa nanao taminy hoe: –Ampiharinareo amiko tokoa ilay ohabolana hoe: «Dokotera, sitrano aloha ny tenanao», satria hoy ianareo tamiko: «Izay rehetra renay fa nataonao tany Kafarnahòma, mba ataovy eto an-tanindrazanao koa!»
Ahoana no hahafahanao milaza amin-kavana hoe: «Etsy, rahavako, hoesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao», nefa ny vatan-kazo amin’ny masonao tsy hitanao akory? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo amin’ny masonao, izay ianao vao hahiratra tsara ka hanaisotra ny tapak’ahitra amin’ny mason-kavana.
Fa namaly azy ireo kosa ny fanahy ratsy nanao hoe: –Fantatro i Jesoa, ary tsy vahiny amiko i Paoly; fa mba iza kosa ianareo?