Matio 7:16 - DIEM PROTESTANTA Ny asany no hahafantaranareo ny mpaminany sandoka: fa foto-tsilo tsy ahazoana voaloboka; ary songosongo tsy ahazoana voanaviavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny voany no hahafantaranareo azy. Mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona sa mahazo aviavy amin’ny songosongo? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny asany no hahafantaranareo ny mpaminany sandoka: fa foto-tsilo tsy ahazoana voaloboka; ary songosongo tsy ahazoana voanaviavy. Baiboly Katolika ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na voan’aviavy amin’ny hery? Baiboly Protestanta Malagasy Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ny songosongo? Malagasy Bible Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo? La Bible en Malgache Ny voany no hahafantaranareo azy. Mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona sa mahazo aviavy amin’ny songosongo? |
–Ataovy hoe tsara ny voany ka tsara koa ny hazo, na ataovy hoe ratsy ny voany ka ratsy koa ny hazo: satria ny voany no ahafantarana ny hazo.
Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky,
Nefa raha misy manao hoe: «Ny anao finoana, fa ny ahy asa», dia hovaliako hoe: «Asehoy ahy izay finoanao tsy ombàn’asa, fa hasehoko anao amin’ny asa kosa ny finoako.»
Ny aviavy ve, ry havako, mety hamoa ôliva, na ny voaloboka hamoa aviavy? Koa ny loharano masira tsy mety hanome rano mamy.
Ny TOMPO anie no hitsara ahy sy ianao, ka hamaly anao noho ny ratsy nataonao tamiko! Fa izaho kosa tsy haninji-tanana aminao.