Nisy vahoaka betsaka nitangorona teo akaikiny, ka voatery niakatra tao an-tsambokely anankiray Izy dia nipetraka teo. Ary ny vahoaka rehetra kosa terỳ amoron-drano.
Matio 5:1 - DIEM PROTESTANTA Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nohatonin’ny mpianany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; rehefa tafapetraka Izy dia nanatona Azy ny mpianany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nohatonin’ny mpianany. Baiboly Katolika Ary nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, Baiboly Protestanta Malagasy ARY Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. Malagasy Bible Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. La Bible en Malgache Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; rehefa tafapetraka Izy dia nanatona Azy ny mpianany. |
Nisy vahoaka betsaka nitangorona teo akaikiny, ka voatery niakatra tao an-tsambokely anankiray Izy dia nipetraka teo. Ary ny vahoaka rehetra kosa terỳ amoron-drano.
Niainga avy teo i Jesoa dia lasa nankany amoron’ny farihin’i Galilea, ary niakatra nankeo an-tendrombohitra ka nipetraka teo.
Vahoaka marobe no nanaraka Azy avy any Galilea sy Dekapôly, avy tany Jerosalema sy Jodea ary avy any andafin’i Jôrdàna.
Ary niakatra teo an-tendrombohitra i Jesoa, ka niantso izay tiany hantsoina; ary niala teo amin’ny vahoaka ireo ka nanatona Azy.
Dia niverina tao an-trano i Jesoa; ary vory maro teo indray ny vahoaka, hany ka tsy afaka nisakafo Izy sy ny mpianany.
Dia nampianatra teo moron’ny farihin’i Galilea indray i Jesoa; ary vahoaka be no nitangorona teo akaikiny, ka voatery niondrana an-tsambokely Izy, dia nipetraka teo. Ary ny vahoaka rehetra kosa terỳ an-tanety amoron’ny farihy.
Ary tamin’izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka, ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.
Dia niara-nidina tamin’ny 12 lahy i Jesoa ho eny an-tany lemaka. Mpianany maro sy vahoaka betsaka avy any Jodea lafy valo sy Jerosalema ary ny morontsirak’i Tiro sy i Sidôna
Dia nanopy maso ny mpianany i Jesoa ka nanao hoe: –Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny Fanjakàn’Andriamanitra!
Tokony ho herinandro taorian’izany, dia nitondra an-dry i Petera sy i Jôhany ary i Jakôba i Jesoa, ka lasa niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
Fantatr’i Jesoa fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hatao mpanjaka; noho izany, dia lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.