Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 3:8 - DIEM PROTESTANTA

Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana ianareo;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Koa manaova àry asa fibebahana mendrika tsara,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana hianareo;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana ianareo;

Jereo ny toko



Matio 3:8
16 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny hatsarao ny fitondrantenanareo sy ny fomba fanaonareo; henoy izay lazain’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy hampiharin’ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana anareo.


Angamba hahatakatra ny fikasàko handefa loza aminy ny olon’i Joda, ka samy hiala amin’ny fitondrantena ratsiny, dia havelako ny heloka amam-pahotany.»


Eny, tonga teo aminareo i Jôhany Mpanao batisa, ary naneho taminareo ny lala-marina voasoritr’Andriamanitra, saingy tsy nino an’i Jôhany ianareo, fa ireo mpamory hetra sy vehivavy mpivarotena no nino azy; ary ianareo kosa, na dia efa nahita azy ireny aza, dia mbola tsy nanenina ihany taorian’izany mba hinoanareo an’i Jôhany.


Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. Ary aza manao anakampo hoe: «Manana an’i Abrahama ho razambenay izahay!» Satria lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra ny manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.


Fa nitoriako aloha ny mponina tao Damasy ary koa ny tao Jerosalema, vao izay manerana ny faritany Jodea sy ny tanin’ny hafa firenena ka nanainga azy rehetra aho hiala amin’ny toetra ratsiny sy hiverina amin’Andriamanitra ary hanao asa mampiharihary fa nialany tokoa ny toetra ratsiny.


Tao amin’ny haizina ianareo fahiny, fa ao amin’ny fahazavana kosa ankehitriny, noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Koa manaova fitondrantena tahaka ny olona ao amin’ny fahazavana,


satria ny fahazavana dia mamokatra ny soa sy ny rariny ary ny hitsiny isan-karazany.


ary ho heniky ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mba hanomezam-boninahitra sy hiderana an’Andriamanitra.