Rehefa teraka tao Betlehema tanànan’i Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema,
Matio 3:5 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izay dia nirohotra nankany amin’i Jôhany ny olona avy any Jerosalema sy avy any Jodea lafy valo mbamin’ny faritany rehetra amoron’ny ony Jôrdàna; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin’ny tany rehetra amoron’i Jordana dia nandeha nankany amin’i Jaona Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay dia nirohotra nankany amin’i Jôhany ny olona avy any Jerosalema sy avy any Jodea lafy valo mbamin’ny faritany rehetra amoron’ny ony Jôrdàna; Baiboly Katolika Ary nankany aminy daholo i Jerosalema sy i Jodea rehetra mbamin’ny tany manodidina an’i Jordany; Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin’ny tany rehetra amoron’i Jordana dia nivoaka nankany amin’i Jaona, Malagasy Bible Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra amoron'i i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona, La Bible en Malgache Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin’ny tany rehetra amoron’i Jordana dia nandeha nankany amin’i Jaona |
Rehefa teraka tao Betlehema tanànan’i Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema,
Vahoaka marobe no nanaraka Azy avy any Galilea sy Dekapôly, avy tany Jerosalema sy Jodea ary avy any andafin’i Jôrdàna.
Nirohotra nankeo amin’i Jôhany avokoa ny olona avy any Jodea lafy valo sy avy any Jerosalema; ary niaiky heloka ireo ka dia nataon’i Jôhany batisa tao amin’ny ony Jôrdàna.
Miafara amin’i Jôhany Mpanao batisa ny andron’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany. Fa manomboka hatreo kosa dia ny Fanjakàn’Andriamanitra no Vaovao Mahafaly torîna, ary samy miezaka hiditra ao ny olona.
Dia lasa i Jôhany nitety ny faritany manontolo amoron’ny ony Jôrdàna sady nanao antso avo hoe: –Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan’Andriamanitra ny helokareo.
Toy izao àry no tenin’i Jôhany tamin’ny vahoaka nidodododo hataony batisa: –Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba tsy ho tratry ny fahatezeran’Andriamanitra izay efa antomotra?
I Jôhany koa nanao batisa ny olona tao Enôna akaikin’i Salîma, fa be rano tao; nanatona an’i Jôhany ny olona ka nataony batisa
I Jôhany dia toy ny jiro nirehitra sy nanazava, ka satrinareo nifaliana vetivety ny fahazavany.