Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 21:2 - DIEM PROTESTANTA

–Mankanesa amin’itsy tanàna manoloana anareo itsy. Vantany vao migadona ao ianareo, dia hahita boriky vavy mifatotra sy ny zanany miaraka aminy: vahao ilay boriky vavy dia ento atỳ amiko ombàn-janany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa, fa avy hatrany dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany miaraka aminy ianareo; vahao izy dia ento etỳ Amiko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Mankanesa amin’itsy tanàna manoloana anareo itsy. Vantany vao migadona ao ianareo, dia hahita boriky vavy mifatotra sy ny zanany miaraka aminy: vahao ilay boriky vavy dia ento atỳ amiko ombàn-janany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ka nilazany hoe: «Mankanesa amin’itsy vohitra tandrifinareo itsy, ary rehefa mby ao ianareo dia hahita ampondra vavy mifatotra sy ny zanany eo aminy: vahao izy dia ento atỳ amiko;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin’izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy hianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin'izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy ianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa, fa avy hatrany dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany miaraka aminy ianareo; vahao izy dia ento etỳ Amiko.

Jereo ny toko



Matio 21:2
8 Rohy Ifampitohizana  

Hihanaka dia hihanaka ny voaloboka, ka hafatony amin’ny tahom-boaloboka ny borikiny ary amin’ny sampam-boaloboka ny zana-borikiny; divay no hanasany akanjo ary ranom-boaloboka no hanasany fitafiana.


Ary nanakaiky an’i Jerosalema i Jesoa mbamin’ny mpianany sy ny vahoaka tafaraka taminy, ka tonga teo anilan’ny tanàna Betifage, eo amin’ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva. Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:


Ary raha misy olona manontany anareo, dia valio hoe: «Misy ilàn’ny Tompo azy!» Dia havelany hoentinareo miaraka amin’izay ny boriky vavy sy ny zanany.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Mandehana mankany an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: «Izao no tenin’ny Mpampianatra: Efa tonga ny fotoanandroko; ka ato aminao no hanaovako ny sakafo Paska miaraka amin’ny mpianatro.»