Eo ambonin’io latabatra io no hametrahana ny mofo atolotra ho Ahy, ka hisy tsy tapaka eo anatrehako izany.
Matio 12:4 - DIEM PROTESTANTA Niditra tao an-tranon’Andriamanitra ry i Davida, ka nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra izy mbamin’ny olona niaraka taminy; kanefa izany mofo izany tsy azon’izy ireo hanina fa natao ho an’ny mpisorona irery ihany! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa niditra tao amin’ny tranon’Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo atao fanatitra, izay tsy azony na ireo izay nanaraka azy hanina, afa-tsy ny mpisorona ihany? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niditra tao an-tranon’Andriamanitra ry i Davida, ka nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra izy mbamin’ny olona niaraka taminy; kanefa izany mofo izany tsy azon’izy ireo hanina fa natao ho an’ny mpisorona irery ihany! Baiboly Katolika fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, ka nihinana ny mofo alahatra, kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? Baiboly Protestanta Malagasy fa niditra tao amin’ny tranon’Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? Malagasy Bible Fa niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? La Bible en Malgache fa niditra tao amin’ny tranon’Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo atao fanatitra, izay tsy azony na ireo izay nanaraka azy hanina, afa-tsy ny mpisorona ihany? |
Eo ambonin’io latabatra io no hametrahana ny mofo atolotra ho Ahy, ka hisy tsy tapaka eo anatrehako izany.
Ary hoy i Mosesy tamin’i Aharôna sy ny zanany: –Andrahoy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ny henan’ilay ondrilahy faharoa; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay ao anatin’ny harona misy ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako anareo.
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Tsy novakînareo tao amin’ny Soratra Masina angaha izay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’ireo olona niaraka taminy?
Sa tsy novakînareo tao amin’ny lalànan’i Mosesy angaha fa amin’ny andro sabata dia mandika ny fepetran’ny sabata ireo mpisorona manao fanompoana ao an-tempoly, kanefa tsy manan-tsiny?
Niditra tao an-tranon’Andriamanitra i Davida tamin’ny andron’i Abiatara mpisorombe, ary nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra; kanefa izany mofo izany tsy azon’iza na iza hanina afa-tsy ny mpisorona ihany. Dia nomen’i Davida koa ireo olona niaraka taminy.
Niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ka ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra no nakany hohanina, ary dia nomeny koa ireo olona niaraka taminy; kanefa izany mofo izany, tsy azon’iza na iza hanina afa-tsy ny mpisorona irery ihany.
Fa nisy tranolay voavoatra, dia ny tranolay voalohany izay antsoina hoe Toeramasina: tao no nisy ny fitoeran-jiro sy ny latabatra fametrahana ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra.
Ka hoy ny navalin’i Davida azy: –Izany tokoa, fa tsy niray tamim-behivavy izahay, toy ny taloha ihany rehefa niantafika aho; ka masina ny kitapon’ireo tovolahy namako. Ary na dia tsy masina aza ity dia hiantafika indray maka ity, dia ho masina ihany izy anio amin’ny mofo hatao anaty kitapo.