sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.
Matio 11:1 - DIEM PROTESTANTA Nony vitan’i Jesoa ny hafatrafatra ho an’ireo mpianany 12 lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any amin’ny tanànan-dry zareo Jiosy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa vitan’i Jesosy ny hafatrafatra ho an’ny mpianany roa amby folo lahy dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any amin’ireo tanànany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony vitan’i Jesoa ny hafatrafatra ho an’ireo mpianany 12 lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any amin’ny tanànan-dry zareo Jiosy. Baiboly Katolika Ary rehefa tapitra ny fampianarana nomen’i Jesoa an’ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy ireo, dia niala tao Izy, ka nandeha nampianatra sy nitory teny tamin’ny tanàna manodidina rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa vitan’i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin’ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitori-teny any an-tanànan’ny olona. Malagasy Bible Ary rehefa vitan'i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin'ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan'ny olona. La Bible en Malgache Ary rehefa vitan’i Jesosy ny hafatrafatra ho an’ny mpianany roa amby folo lahy dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any amin’ireo tanànany. |
sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.
Ary nitety an’i Galilea manontolo i Jesoa, ka nampianatra tany amin’ny sinagôgan-dry zareo ary nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’ny lanitra sady nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra teo amin’ny vahoaka.
Rehefa vitan’i Jesoa izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fomba fampianarany;
Ary nitety tanàn-dehibe sy tanàna kely rehetra i Jesoa, ka nampianatra tany amin’ny sinagôgan-dry zareo sy nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’ny lanitra ary nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Dia lasa izy 12 lahy ary nitory tamin’ny olona fa hoe tokony hiala amin’ny toe-dratsy.
Fa vao mainka nandentika ry zareo nanao hoe: –Mampiodina ny vahoaka eran’i Jodea manontolo Izy amin’ny fampianarana ataony, hatrany Galilea izay nanombohany ka hatratỳ.
Taorian’izany, lasa nitety tanàn-dehibe sy tanàna kely i Jesoa nitoriteny sy nanambara ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’Andriamanitra. Niaraka tamin’i Jesoa ny 12 lahy
Raha mitandrina ireo didiko ianareo, dia hitoetra ao amin’izany fitiavako anareo izany, tahaka ny nitandremako ireo didin’ny Raiko sy itoerako ao amin’ny fitiavana Ahy.
ka hatramin’ny andro nampiakarana Azy ho any an-danitra. Talohan’ny nampiakarana Azy, dia namelany baiko tamin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo nofidiny ho apôstôly.
nandrotsahan’Andriamanitra ny herin’ny Fanahy Masina i Jesoa avy any Nazareta, ka nitety tany nanao soa sy nanasitrana izay rehetra teo ambany fahefàn’ny devoly, satria nombàn’Andriamanitra Izy.
ary nomeny baiko mba hitory amin’ny vahoaka sy ho vavolombelona manambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
Eny, fony tany aminareo izahay, dia namepetra anareo hoe: «Raha misy tsy te hiasa, aoka izy tsy hihinana!»
Ry havana, mamarafara anareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay: halaviro ny namana kamo, tsy manaraka ny fampianarana efa nampitainay taminy.
tandremo tsy hanan-tsiny amam-pondro izany baiko izany mandra-piavin’ilay andro hisehoan’ilay Jesoa Kristy Tompontsika.