Hampifankahalaiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Ny tarana-behivavy no hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahitongotry ny taranany.
Matio 1:18 - DIEM PROTESTANTA Toy izao no nahaterahan’i Jesoa Kristy. Efa fofombadin’i Jôsefa i Maria renin’i Jesoa tamin’izay; raha mbola tsy niray trano anefa izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan’ny Fanahy Masina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Toy izao no nahaterahan’i Jesosy Kristy. Rehefa nanaiky ho fofombadin’i Josefa i Maria renin’i Jesosy dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy raha tsy mbola nivady izy roa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Toy izao no nahaterahan’i Jesoa Kristy. Efa fofombadin’i Jôsefa i Maria renin’i Jesoa tamin’izay; raha mbola tsy niray trano anefa izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan’ny Fanahy Masina. Baiboly Katolika Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Josefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Baiboly Protestanta Malagasy ARY ny nahaterahan’i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin’i Jesosy, ho fofombadin’i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Malagasy Bible Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy. La Bible en Malgache Toy izao no nahaterahan’i Jesosy Kristy*. Rehefa nanaiky ho fofombadin’i Josefa i Maria renin’i Jesosy dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy raha tsy mbola nivady izy roa. |
Hampifankahalaiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Ny tarana-behivavy no hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahitongotry ny taranany.
Fa inona ny olombelona no hihambo ho madio? Na izay natera-behivavy no hanao ny tenany ho marina?
Fitanisana ny razan’i Jesoa Kristy, taranak’i Davida, dia i Davida taranak’i Abrahama.
Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Jesoa, dia tonga ny reniny mbamin’ny rahalahiny; nijanona tao alatrano izy mianakavy ary nitady hiresaka aminy. [
Niditra tao an-trano ireo olon-kendry ka nahita ny zaza teny amin’i Maria reniny ary niankohoka teo anatrehan’ilay zaza ho fanajana azy. Rehefa izany, nanokatra ny vata fasiany rakitra ireto mpamangy ary nanolotra fanatitra ho azy: dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora.
«Nataon’ny Tompo tamiko izao, fa ankehitriny dia sitrany tokoa ny hahafa-tondromaso ahy eo amin’ny tany ama-monina.»
Raha misy tovovavy virijiny efa fofombadin’olona ka eo an-tanàna izy no hitan-dehilahy anankiray sy iraisany,
Noho izany, fony niditra teto amin’izao tontolo izao i Kristy, dia niteny tamin’Andriamanitra hoe: «Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa tena no namboarinao ho Ahy;
Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin’ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.