Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 9:4 - DIEM PROTESTANTA

Hitan’ireto mpianatra koa i Elià sy i Mosesy; ary niresaka tamin’i Jesoa izy roa lahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Mosesy izay niresaka tamin’i Jesosy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hitan’ireto mpianatra koa i Elià sy i Mosesy; ary niresaka tamin’i Jesoa izy roa lahy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: «Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra atỳ; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin’i Jesosy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin'i Jesosy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Mosesy izay niresaka tamin’i Jesosy.

Jereo ny toko



Marka 9:4
15 Rohy Ifampitohizana  

Eny, ny mpaminany rehetra sy ny lalànan’i Mosesy ka miafara amin’ny andron’i Jôhany dia nanambara mialoha ny Fanjakàn’ny lanitra.


ny fitafiany niova namirapiratra sady fotsy nangatsakatsaka, ary tsy misy mpanasa lamba mahadio sy mahafotsy lamba toy izany etỳ ambonin’ny tany.


Dia hoy i Petera tamin’i Jesoa: –Mpampianatra ô, tsara ho antsika ny mitoetra eto; koa hanao lay telo izahay; ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’i Mosesy ary ny anankiray ho an’i Elià.


Dia nohazavain’i Jesoa tamin’ireto mpianatra ny momba Azy ao amin’ny Soratra Masina manontolo, nanomboka tamin’ny bokin’i Mosesy ka nitohy tamin’ny bokin’ny mpaminany rehetra.


Avy eo i Jesoa dia nilaza taminy hoe: –Izao no efa nambarako taminareo fony Izaho mbola teo aminareo: tsy maintsy tanteraka izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina momba Ahy ao amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany ary ny salamo.


Dia novalian’ny mpianany hoe: –Misy manao hoe i Jôhany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elià; ary ny hafa indray manao hoe anankiray amin’ireo mpaminanin’Andriamanitra fahizay no miverina!


Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ao no heverinareo hahavelona aina mandrakizay; ireo Soratra Masina ireo indrindra no mijoro ho vavolombelona manambara Ahy,


Dia niankohoka teo an-tongony aho mba hitsaoka azy, satria nilazany hoe: –Tandremo, aza manao izany! Fa mpanompo miaraka aminao aho sady miaraka amin’ireo namanao iray finoana, izay mitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona. Andriamanitra no tsaohy! Eny, ny Fanahy Masina Izay manentana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra dia ahariharin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa.