Marka 9:36 - DIEM PROTESTANTA Dia nandray zazakely i Jesoa, napetrany teo ampovoan’izy rehetra ary dia notrotroiny ka hoy Izy: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nandray zaza iray Izy ka nametraka azy teo afovoan’izy rehetra; rehefa notrotroiny ilay zaza dia hoy Izy tamin’ny mpianany: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nandray zazakely i Jesoa, napetrany teo ampovoan’izy rehetra ary dia notrotroiny ka hoy Izy: Baiboly Katolika «Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin’ny mpianany: Malagasy Bible Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin'ny mpianany: La Bible en Malgache Ary nandray zaza iray Izy ka nametraka azy teo afovoan’izy rehetra; rehefa notrotroiny ilay zaza dia hoy Izy tamin’ny mpianany: |
Avy eo dia notrotroin’i Jesoa ireo zaza ireo ary nametrahany tanana ka notsofiny rano.
Dia nipetraka i Jesoa ary niantso ny 12 lahy ka nanao taminy hoe: –Raha misy te ho voalohany, aoka izy ho farany amin’ny olona rehetra ary ho mpanompon’ny olona rehetra.
–Na iza na iza mandray ny anankiray amin’itony zaza itony amin’ny anarako, dia Izaho no raisiny; ary na iza na iza mandray Ahy, dia tsy Izaho ihany no raisiny fa Ilay naniraka Ahy koa.