Marka 9:3 - DIEM PROTESTANTA ny fitafiany niova namirapiratra sady fotsy nangatsakatsaka, ary tsy misy mpanasa lamba mahadio sy mahafotsy lamba toy izany etỳ ambonin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary niova ka tonga namirapiratra sady fotsy dia fotsy ny fitafiany ka tsy misy mpanasa lamba ambonin’ny tany mahafotsy lamba toy izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny fitafiany niova namirapiratra sady fotsy nangatsakatsaka, ary tsy misy mpanasa lamba mahadio sy mahafotsy lamba toy izany etỳ ambonin’ny tany. Baiboly Katolika Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin’ny tany mahafotsy toy izany. Malagasy Bible ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin'ny tany mahafotsy toy izany. La Bible en Malgache ary niova ka tonga namirapiratra sady fotsy dia fotsy ny fitafiany ka tsy misy mpanasa lamba ambonin’ny tany mahafotsy lamba toy izany. |
Na ianareo tsy mba niady aza fa nijanona niandry valan’ondry, dia ho tahaka ny voromahailala misy elany mirava-bolafotsy sy volony mirava-bolamena tsara.
«Avia fa hifandahatra isika, hoy ny TOMPO. Na dia mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny jaky aza ireny, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.
«Mbola nijery ihany aho, ka indreo nisy sezafiandrianana napetraka; ary nisy Antidahy iray tonga nipetraka. Ny fitafiany dia fotsy tahaka ny oram-panala; ny volon-dohany dia tahaka ny volon’ondry madio; ny sezafiandrianany dia lelafo; ary ny kodiarany dia afo mivaivay.
Namiratra tahaka ny tselatra ny tarehiny ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany.
Hitan’ireto mpianatra koa i Elià sy i Mosesy; ary niresaka tamin’i Jesoa izy roa lahy.
Raha mbola nivavaka i Jesoa, dia niova ny fahitana ny tarehiny ary tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany.
Dia novalian’i Kôrnely hoe: –Telo andro lasa izay, tamin’ny telo tolakandro toy izao indrindra, dia nivavaka tato an-trano aho. Ary nisy lehilahy manao fitafiana mamirapiratra nijoro tampoka teo anatrehako,
ka hihinananareo ny nofon’ireo mpanjaka, ny nofon’ireo komandin-tafika, ny nofon’ireo mahery an’ady, ny nofon’ireo soavaly mbamin’ny an’ny mpitaingina azy, ary ny nofon’ny olona rehetra, na mpanompo na tsy mpanompo, na kely na lehibe.»
Ka novaliako hoe: –Ianao, tompoko, no mahalala! Dia hoy izy tamiko: –Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe ka nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ra nafoin’ilay Zanakondry.
Taorian’izany, dia indreo hitako nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny vahoaka mbamin’ny olona samy hafa fiteny rehetra, niakanjo fotsy lava sy nitana sampan-drofia teny an-tanany. Nijoro teo anoloan’ny sezafiandrianana sy ny Zanakondry ireo,