Marka 9:19 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Karazan’olona tsy mino ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy ny navalin’i Jesosy azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ Amiko izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Karazan’olona tsy mino ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza! Baiboly Katolika Dia nentiny nankeo aminy izy, ary vantany vao nahita Azy ny demony, dia nampifanintontsintona ny zaza, ka lavo nitsinkasina sady nandoa vory. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ amiko izy. Malagasy Bible Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ amiko izy. La Bible en Malgache Dia hoy ny navalin’i Jesosy azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ Amiko izy. |
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mandra-pahoviana no hanamavoan’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no handavany tsy hino Ahy, na dia teo aza ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
Nahita ny voninahitro sy ny asa mahagaga nataoko tany Ejipta sy tany an-taniefitra izy ireo, nefa tsy nitsahatra naka fanahy Ahy tamin’ny tsy fihainoany ny teniko;
–Mandra-pahoviana no mbola handeferako fimonomononan’ity fiangonana ratsy ity amiko? Efa mankadilo ny sofiko ny fimonomononany amiko.
Dia hoy i Jesoa: –Karazan’olona tsy mino sady be siasia ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!
Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan’i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona.
Ary na aiza na aiza ahazoany azy, dia alavony amin’ny tany ilay zaza ary ataony mandoa vory sy mikitro-nify dia mihinjitra eo. Niangaviako ny mpianatrao handroaka ilay fanahy, kanefa tsy vitany.
Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an’i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin’ny tany ary niolanolana sy nandoa vory.
Dia hoy i Jesoa tamin’izy roa lahy: –Olona votsa saina ianareo ary ela vao mino izay rehetra voalazan’ny mpaminany!
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Karazan’olona tsy mino sady be siasia ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo sy handeferako aminareo? Ento atỳ ny zanakao!
–Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Hoe: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’izao ora fijaliana izao? Kanefa ny handalo amin’izao ora fijaliana izao indrindra no nahatongavako.
Avy eo dia hoy Izy tamin’i Tômà: –Arosoy eto ny rantsan-tananao ka jereo ny tanako roa; arosoy koa ny tananao ka atsofoy eto amin’ny foko; ary aza malain-kino, fa minoa!
dia hoy Izy hoe: «Hanafenako tava ireo, dia ho hitako izay hiafarany fa taranaka mpivadibadika sy zaza tsy mahatoky.