Tatỳ aoriana ela dia maty ny mpanjakan’i Ejipta. Nitoloko ny Israelita noho ny fanompoany ka niantso vonjy; ary tafakatra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoana.
Marka 7:34 - DIEM PROTESTANTA Dia niandrandra ny lanitra i Jesoa sady nisento ary niteny tamin-dralehilahy hoe: –Efatà! (izany hoe: «misokafa!»). Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary niandrandra ny lanitra Izy dia nisento ka niteny taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niandrandra ny lanitra i Jesoa sady nisento ary niteny tamin-dralehilahy hoe: –Efatà! (izany hoe: «misokafa!»). Baiboly Katolika Raha efa izany dia niandrandra ny lanitra Izy, sady nisento ary nanao taminy hoe: «Efeta» izany hoe «misokafa.» Baiboly Protestanta Malagasy ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia. Malagasy Bible ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia. La Bible en Malgache ary niandrandra ny lanitra Izy dia nisento ka niteny taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia! |
Tatỳ aoriana ela dia maty ny mpanjakan’i Ejipta. Nitoloko ny Israelita noho ny fanompoany ka niantso vonjy; ary tafakatra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoana.
Notsiratsiraina sy nolavin’ny olona izy; lehilahy tototry ny fahoriana sady ilomam-pijaliana tahaka izay tsy tian-kojerena akory. Eny, notsiratsiraina izy ka tsy mba nahoantsika.
Onena azy i Jesoa ka nanatsotra tanana nikasika azy sady niteny hoe: –Sitrako, madiova ianao.
Ary tamin’ny telo tolakandro i Jesoa dia niantso tamin’ny feo mahery nanao hoe: –Elôỳ, Elôỳ, lemà sabaktàny? (izany hoe raha adika: «Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nilaozanao Aho?»)
Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay zaza ka hoy Izy taminy: –Talità komỳ! (Izany hoe: «Razazavavy, mandidy anao Aho, mifohaza!»)
Noraisin’i Jesoa tamin’izay ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra ka nisaotra an’Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianany harosony amin’ny olona; ary nozarain’i Jesoa tamin’ny olon-drehetra koa ny trondro anankiroa.
Ary niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofin-dralehilahy ary nivaha ny fatoran’ny lelany, ka afaka niteny tsara izy.
Dia nisento lalina i Jesoa ka niteny hoe: –Nahoana ny olona ankehitriny no mitady famantarana? Lazaiko marina aminareo fa tsy homena famantarana akory izy.
Ary nanakaiky an’i Jerosalema hatrany i Jesoa ka nony nahatazana ny tanàna, dia nitomany azy
Dia nanatona Izy ary nanendry ny tranovorona, ka nijanona ny mpilanja. Ary hoy i Jesoa hoe: –Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mifohaza!
Nony hitan’i Jesoa fa nitomany i Maria ary nitomany koa ireo Jiosy niaraka taminy, dia niontana ny fony ka tora-kovitra Izy
Dia niontana indray ny fon’i Jesoa ka nankeo amin’ny fasana Izy. Zohy notampenana vato izany fasana izany.
Dia nesorin’ny olona ny vato. I Jesoa kosa nanandratra ny masony any ambony sady nanao hoe: –Ray ô, misaotra Anao Aho, satria efa nihaino Ahy Ianao.
Avy nilaza izany i Jesoa, dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: –Mivoaha tao, ry Lazara!
Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanandratra ny masony any an-danitra ka nanao hoe: –Ray ô, tonga ny fotoanandro. Omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao.
Ary hoy i Petera taminy: –Ry Enea, manasitrana anao i Jesoa Kristy! Mitsangàna ka amboary ny fandrianao! Dia nitsangana niaraka tamin’izay i Enea.
Namoaka ny olona rehetra ho any alatrano i Petera, dia nandohalika nivavaka. Avy eo izy dia nitodika nanatrika ny faty ka niteny hoe: –Ry Tabità, mitsangàna! Nahiratr’i Tabità ny masony, ary nahita an’i Petera izy dia niarina.
Tsy mba Mpisorombe tsy afaka miara-mizaka ny fahalementsika no ananantsika, fa Mpisorombe efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika ihany, saingy tsy mba nanota.