Indreny izy fa tonga avy any lavitra, ny sasany avy any avaratra, ny sasany avy any andrefana, avy any an-dranomasina, ny sasany avy any atsimo, avy any Ejipta.»
Marka 7:26 - DIEM PROTESTANTA Miteny grika ravehivavy sady Sirôfenisianina firazanana; ary niangavy an’i Jesoa izy handroaka ny demony hiala tao amin-janany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Jentilisa Ravehivavy, avy amin’ny firenena siro-foinikiana. Nangataka Taminy izy mba handroaka ny demonia amin’ny zanany vavy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Miteny grika ravehivavy sady Sirôfenisianina firazanana; ary niangavy an’i Jesoa izy handroaka ny demony hiala tao amin-janany. Baiboly Katolika Jentily avy amin’ny firenena Sirôfenisa ravehivavy, ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin’ny zananivavy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary jentilisa ravehivavy, avy amin’ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin’ny zanani-vavy. Malagasy Bible Ary jentilisa ravehivavy, avy amin'ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin'ny zananivavy. La Bible en Malgache Jentilisa* Ravehivavy, avy amin’ny firenena siro-foinikiana. Nangataka Taminy izy mba handroaka ny demonia* amin’ny zanany vavy. |
Indreny izy fa tonga avy any lavitra, ny sasany avy any avaratra, ny sasany avy any andrefana, avy any an-dranomasina, ny sasany avy any atsimo, avy any Ejipta.»
Ary indro nisy vehivavy kanahanita, avy amin’izany faritany izany, tonga teo amin’i Jesoa sady niantsoantso mafy hoe: –Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida ô; fa ampahorîn’ny demony mafy loatra ny zanako vavy!
Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.
Dia nisy vehivavy anankiray izay, nanan-janaka vavy azon’ny fanahy maloto; vao nandre momba an’i Jesoa ravehivavy, dia lasa nankao aminy ka niankohoka teo an-tongony.
Fa hoy i Jesoa taminy: –Avelao aloha ho voky ny zanaka nateraka, fa tsy tsara raha ny mofon-janaka no alaina ka atsipy ho an’ny amboa kely.
Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin’i Kristy Jesoa.
Koa amin’izany, tsy misy ny hoe hafa firenena sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, olona tsy mivoatra na tratra aoriana, mpanompo sy tsy mpanompo; fa i Kristy no zavatra rehetra sady ao aminareo rehetra.