Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 7:14 - DIEM PROTESTANTA

Dia nantsoin’i Jesoa hankeo aminy indray ny vahoaka sady nilazany hoe: –Mihainoa Ahy ianareo rehetra ka mahafantara.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary niantso ny vahoaka hankeo Aminy indray Izy ka niteny taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra ka fantaro.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nantsoin’i Jesoa hankeo aminy indray ny vahoaka sady nilazany hoe: –Mihainoa Ahy ianareo rehetra ka mahafantara.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: «Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy hianareo rehetra, ka mahafantara.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary niantso ny vahoaka hankeo Aminy indray Izy ka niteny taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra ka fantaro.

Jereo ny toko



Marka 7:14
14 Rohy Ifampitohizana  

dia nankeo amin’ny vahoaka rehetra i Elià ka nanao hoe: –Mandra-pahoviana no hampiroaroa saina anareo? Raha ny TOMPO no tena Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha i Bahala kosa no tena Andriamanitra, dia manaraha azy. Saingy tsy nisy namaly azy ny vahoaka;


Fa hoy kosa i Mikaià: –Raha tàhiny ka tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin’ny TOMPO aho tsy akory.


Ry olona ketrina indrindra, mitandrema! Ry adala, rahoviana vao handinika ianareo?


Ry kely saina, fantaro ny fahendrena, ry adala, hamafiso ny fahalalana.


Dia hoy indray Izy hoe: –Ndeha lazao amin’ity firenena ity hoe: «Mihainoa ihany ianareo fa tsy handre, mijere ihany fa tsy hahita.»


Ka hoy i Jeremià mpaminany tamin’ny vahoaka rehetra ao Joda sy ny mponina rehetra tao Jerosalema:


Dia nantsoin’i Jesoa hankeo aminy kosa ny vahoaka sady nilazany hoe: –Mihainoa ka mahafantara:


Koa ny fomba amam-panao ifandovanareo no anafoananareo ny tenin’Andriamanitra; ary mbola maro koa ny zavatra tahatahaka izany ataonareo.


Tsy misy zavatra avy etỳ ivelany miditra ao anatin’ny olona ka mahaloto azy, fa izay mipoitra avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy. [


Tamin’izay dia tafangona ny vahoaka alikisa nifanitsa-kitro. Kanefa ny mpianany aloha no nitenenan’i Jesoa hoe: –Mitandrema tena ianareo amin’ny levioran’ny Farisianina dia ny fihatsarambelatsihy.


Nilomay nanatona i Filipo ka nandre ilay Etiôpianina namaky ny bokin’i Isaià mpaminany, ary nanontany azy hoe: –Azonao ve ny teny vakînao?