Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky. Ary nentin’ireo mpianatra ny tapa-mofo aman-trondro ambiny ka nahafeno sobika 12.
Marka 6:43 - DIEM PROTESTANTA Nangonin’ireo mpianatra ny tapa-mofo ambiny ka nahafeno sobika 12, ary nangoniny koa ny trondro sisa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nangonina izay sombintsombin’ny mofo sy ny hazandrano ka nahafeno harona roa amby folo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nangonin’ireo mpianatra ny tapa-mofo ambiny ka nahafeno sobika 12, ary nangoniny koa ny trondro sisa. Baiboly Katolika ary ny sombintsombin’ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany nahafeno sobiky roa ambin’ny folo ka nentiny nody. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nangoniny izay sombinstombin’ny mofo sy ny hazandrano, ka dia nahafeno harona roa ambin’ny folo. Malagasy Bible Ary nangoniny izay sombintsombin'ny mofo sy ny hazandrano, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo. La Bible en Malgache Ary nangonina izay sombintsombin’ny mofo sy ny hazandrano ka nahafeno harona roa amby folo. |
Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky. Ary nentin’ireo mpianatra ny tapa-mofo aman-trondro ambiny ka nahafeno sobika 12.