Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 5:6 - DIEM PROTESTANTA

Nony nahatazana an’i Jesoa ralehilahy, dia nihazakazaka nanatona Azy ka niankohoka teo anatrehany,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa nony nahatsinjo an’i Jesosy teny lavitra teny izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nony nahatazana an’i Jesoa ralehilahy, dia nihazakazaka nanatona Azy ka niankohoka teo anatrehany,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa nony nahatazan-davitra an’i Jesoa izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa nony nahita an’i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa nony nahita an'i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa nony nahatsinjo an’i Jesosy teny lavitra teny izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany

Jereo ny toko



Marka 5:6
7 Rohy Ifampitohizana  

Lazao amin’Andriamanitra hoe: «Endrey mampitolagaga ny asanao! Lehibe dia lehibe tokoa ity herinao, ka indro fa ikoizan’ny fahavalonao.


Ny mpanohitra azy handohalika eo anoloany ary ny fahavalony hihohoka am-bovoka.


Na andro na alina dia teny amin’ny fasana sy tany an-tendrombohitra tany foana izy, niantsoantso sy nandratra tena tamin’ny vato.


ary niantsoantso ka niteny tamin’ny feo mahery hoe: –Fa hataonao inona aho, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra avo indrindra? Miangavy Anao amin’ny anaran’Andriamanitra aho, aza dia ampijalîna re!


Olona maro koa no nialan’ny demony izay nihiakiaka nanao hoe: «Ianao no ilay Zanak’Andriamanitra!» Norahonan’i Jesoa mafy kosa ny demony sady tsy navelany hiteniteny satria ireo dia nahalala fa Izy no ilay Mesia.


Nanjohy anay sy i Paoly izy sady niantsoantso hoe: –Mpanompon’ilay Andriamanitra Avo indrindra ireo lehilahy ireo! Ny lalam-pamonjena no torîny aminareo!


Inoanao ve fa misy Andriamanitra tokana? Tsara ny ataonao. Mba mino izany koa anefa ireo demony ka mangovitra.