Dia niantso mafy indray ireo sady niteti-tena tamin’ny sabatra sy ny lefona mandra-pivoa-dra araka ny fanaony.
Marka 5:5 - DIEM PROTESTANTA Na andro na alina dia teny amin’ny fasana sy tany an-tendrombohitra tany foana izy, niantsoantso sy nandratra tena tamin’ny vato. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin’ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin’ny vato. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Na andro na alina dia teny amin’ny fasana sy tany an-tendrombohitra tany foana izy, niantsoantso sy nandratra tena tamin’ny vato. Baiboly Katolika Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy no mirenireny na andro na alina, sady minananàna no mandrà-tena amin’ny vato. Baiboly Protestanta Malagasy Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin’ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin’ny vato. Malagasy Bible Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin'ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin'ny vato. La Bible en Malgache Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin’ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin’ny vato. |
Dia niantso mafy indray ireo sady niteti-tena tamin’ny sabatra sy ny lefona mandra-pivoa-dra araka ny fanaony.
Matetika tokoa manko dia nasiana gadra ny tongony sady nofatorana rojo vy ny tanany; fa ny rojo vy notapahiny, ary ny gadra nopotehiny, ka dia tsy nisy olona nahafolaka an-dralehilahy.
Nony nahatazana an’i Jesoa ralehilahy, dia nihazakazaka nanatona Azy ka niankohoka teo anatrehany,
Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filàndratsin’ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin’ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain’ny mpandainga.