Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 5:40 - DIEM PROTESTANTA

Dia nihomehezan’ny olona i Jesoa; nefa noroahiny any alatrano izy rehetra ka ny ray aman-drenin-jaza sy ireo mpianatra niaraka taminy no nentiny nankao amin’ny toerana nisy ny zaza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy dia nitondra ny ray aman-drenin’ny zaza mbamin’izay olona teo aminy ka niditra tao amin’izay nisy ny zaza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nihomehezan’ny olona i Jesoa; nefa noroahiny any alatrano izy rehetra ka ny ray aman-drenin-jaza sy ireo mpianatra niaraka taminy no nentiny nankao amin’ny toerana nisy ny zaza.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nihomehy Azy fatratra ny olona; fa Izy kosa nandroaka azy rehetra, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka Azy niditra tao amin’izay niampàran-drazazavavy,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’izay olona teo aminy ka niditra tao amin’izay nisy an-drazazavavy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'izay olona teo aminy ka niditra tao amin'izay nisy an-drazazavavy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy dia nitondra ny ray aman-drenin’ny zaza mbamin’izay olona teo aminy ka niditra tao amin’izay nisy ny zaza.

Jereo ny toko



Marka 5:40
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia nivoaka ny trano i Lôta mba hiteny amin’ireo vinantony izay hanambady ny zanany vavy ka nanao hoe: –Miaingà, ialao ity toerana ity fa horavan’ny TOMPO ny tanàna. Saingy noheverin’ireo vinantony ho manao kivazivazy i Lôta.


Dia niditra izy ka nihidy aman-trano niaraka tamin’ny zaza ary nivavaka tamin’ny TOMPO.


Fa raha nahare izany i Sanebalato ilay Hôrônita sy i Tôbià ilay Hamônita mpanampy azy ary i Gesema ilay Arabo, dia nanaraby sy naneso anay hoe: –Inona izao zavatra hataonareo izao? Hikomy amin’ny amperôra angaha ianareo?


Tonga fihomehezan’ny sakaizako aho raha mba miantso an’Andriamanitra hamaly ahy; eny, ihomehezana ny marina tsy manan-tsiny.


Efa toy ny kankana aho fa tsy olona intsony, ka sady voaompa no lavin’ny vahoaka;


Tsy izay miditra ao am-bavan’ny olona no mahaloto azy; fa izay aloaky ny vavan’ny olona no mahaloto azy.


Ny zava-masina, aza omena ny alika, fandrao hifoteran’ny alika ianareo ka hoviravirainy; ary ny vatosoanareo, aza atsipy amin’ny kisoa, fandrao voahosihosiny.


Koa sady niditra tao an-trano i Jesoa no niteny tamin’ireo olona tao nanao hoe: –Nahoana ianareo no misomaritaka sy mitomany tahaka izao? Tsy maty akory ny zaza, fa matory!


Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay zaza ka hoy Izy taminy: –Talità komỳ! (Izany hoe: «Razazavavy, mandidy anao Aho, mifohaza!»)


Fatra-pitia vola ny Farisianina ka naneso an’i Jesoa nony nandre izany teny rehetra izany.


Vao nandre an’i Paoly niteny momba ny fitsanganan’ny maty ireo olona teo amin’ny Areôpazy, dia tao ny naneso azy ary tao kosa ny nilaza hoe: –Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’io zavatra io.