Marka 5:4 - DIEM PROTESTANTA Matetika tokoa manko dia nasiana gadra ny tongony sady nofatorana rojo vy ny tanany; fa ny rojo vy notapahiny, ary ny gadra nopotehiny, ka dia tsy nisy olona nahafolaka an-dralehilahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa efa nafatotra matetika tamin’ny rojo vy, na ny tanany, na ny tongony; nefa notapahiny ny rojo vy tamin’ny tanany, ary ny rojo vy tamin’ny tongony dia notorotoroiny ka tsy nisy olona nahafolaka azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Matetika tokoa manko dia nasiana gadra ny tongony sady nofatorana rojo vy ny tanany; fa ny rojo vy notapahiny, ary ny gadra nopotehiny, ka dia tsy nisy olona nahafolaka an-dralehilahy. Baiboly Katolika fa matetika no nafatotra tamin’ny gadra sy tamin’ny rojo vy ny tongony aman-tanany, nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa efa nafatony matetika tamin’ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin’ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin’ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. Malagasy Bible Fa efa nafatony matetika tanin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin'ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin'ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. La Bible en Malgache Fa efa nafatotra matetika tamin’ny rojo vy, na ny tanany, na ny tongony; nefa notapahiny ny rojo vy tamin’ny tanany, ary ny rojo vy tamin’ny tongony dia notorotoroiny ka tsy nisy olona nahafolaka azy. |
ka teny amin’ny fasana no niorim-ponenana ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin’ny rojo vy aza.
Na andro na alina dia teny amin’ny fasana sy tany an-tendrombohitra tany foana izy, niantsoantso sy nandratra tena tamin’ny vato.
I Jesoa manko efa nandidy ny fanahy maloto hiala tamin-dralehilahy. Efa imbetsaka io fanahy maloto io no namely azy; fatorana gadra tongotra aman-tanana izy no ambenana, kanefa manapaka fatorana ihany ary entin’ny demony miriorio any an-taniefitra.