Toy ny tsy ahafantaranao ny fiforonan’ny aina ao an-kibon’ny vehivavy bevohòka no tsy hahatakaranao ny fomba fiasan’Andriamanitra mpanao izao rehetra izao.
Marka 4:27 - DIEM PROTESTANTA fa na matory izy ny alina, na mahatsiaro izy ny antoandro, dia mitsimoka sy mitombo ny voa amin’ny fomba tsy fantany akory. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka na matory izy na mahatsiaro, na alina na andro, ny voa dia mitsimoka ka mitombo ihany, nefa tsy fantany ny faniriny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa na matory izy ny alina, na mahatsiaro izy ny antoandro, dia mitsimoka sy mitombo ny voa amin’ny fomba tsy fantany akory. Baiboly Katolika ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro, ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny; Baiboly Protestanta Malagasy ka matory sy mahatsiaro isan-alina sy isan-andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny. Malagasy Bible ka matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny La Bible en Malgache ka na matory izy na mahatsiaro, na alina na andro, ny voa dia mitsimoka ka mitombo ihany, nefa tsy fantany ny faniriny. |
Toy ny tsy ahafantaranao ny fiforonan’ny aina ao an-kibon’ny vehivavy bevohòka no tsy hahatakaranao ny fomba fiasan’Andriamanitra mpanao izao rehetra izao.
Hoy koa i Jesoa: –Ny Fanjakàn’Andriamanitra dia tahaka ny amin’ity olona namafy voa amin’ny tany;
Fa mamokatra fotsiny amin’izao ny tany: tahony aloha, dia salohiny maitso, ary farany dia voany matoy eny amin’ny salohiny.
Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an’Andriamanitra izahay, ry havana, noho ny aminareo. Mendrika hataonay izany satria mandroso fatratra ny finoanareo ary mitombo hatrany ny fifankatiavanareo rehetra.
Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.