–Inona no anao atỳ ary inonao no atỳ, no mampandoaka ny fasana hilevenanao etỳ amin’ny havoana etỳ ianao ary mandavaka ny fonenanao rahatrizay etỳ amin’ny harambato etỳ?
Marka 15:46 - DIEM PROTESTANTA Dia nividy lamba sarobidy i Jôsefa, ary nampidininy avy teo amin’ny hazofijaliana ny vatan’i Jesoa ka nofonosiny lamba sarobidy ary napetrany tao amin’ny fasana nolavahana tamin’ny vatolampy; dia nanakodiavany vato teo amin’ny vavafasana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nividy lamba hariry madinika i Josefa dia nampidininy ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny an’ilay lamba hariry madinika ary napetrany tao amin’ny fasana izay voalavaka tao amin’ny vatolampy, dia nanakodia vato teo amin’ny varavaran’ny fasana izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nividy lamba sarobidy i Jôsefa, ary nampidininy avy teo amin’ny hazofijaliana ny vatan’i Jesoa ka nofonosiny lamba sarobidy ary napetrany tao amin’ny fasana nolavahana tamin’ny vatolampy; dia nanakodiavany vato teo amin’ny vavafasana. Baiboly Katolika Dia nividy lamba i Josefa, ka nony efa nampidina ny maty dia namono lamba Azy, sy nandevina Azy tamin’ny fasana nolavahana tamin’ny vato, ary nanakodia ny vato tamin’ny varavaram-pasana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin’ny fasana, izay nolavahana tamin’ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin’ny varavaran’ny fasana izy. Malagasy Bible Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin'ny fasana, izay nolavahana tamin'ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy. La Bible en Malgache Ary nividy lamba hariry madinika i Josefa dia nampidininy ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny an’ilay lamba hariry madinika ary napetrany tao amin’ny fasana izay voalavaka tao amin’ny vatolampy, dia nanakodia vato teo amin’ny varavaran’ny fasana izy. |
–Inona no anao atỳ ary inonao no atỳ, no mampandoaka ny fasana hilevenanao etỳ amin’ny havoana etỳ ianao ary mandavaka ny fonenanao rahatrizay etỳ amin’ny harambato etỳ?
Nokasaina hiray fasana amin’ny olon-dratsy izany Mpanompon’ny Tompo izany; kanefa teo anivon’ny mpanankarena no nandevenana azy, satria tsy nanao ratsy akory izy ary tsy nisy fitaka teo am-bavany.
Ary injay nisy horohorontany mahery vaika, fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra tonga nanakodia ny vato hidim-pasana ary nipetraka teo amboniny.
Ary nataon’i Maria avy any Magdalà sy i Maria renin’i Jôsèta tsara jery ny toerana nametrahan’i Jôsefa an’i Jesoa.
Dia nampidinin’i Jôsefa avy teo amin’ny hazofijaliana ny vatan’i Jesoa, nofonosiny lamba sarobidy, ary napetrany tao amin’ny fasana nolavahana tamin’ny vatolampy, mbola tsy nandevenana olona.
Dia niontana indray ny fon’i Jesoa ka nankeo amin’ny fasana Izy. Zohy notampenana vato izany fasana izany.
Dia nesorin’ny olona ny vato. I Jesoa kosa nanandratra ny masony any ambony sady nanao hoe: –Ray ô, misaotra Anao Aho, satria efa nihaino Ahy Ianao.
Ny andro alahady, dia nandeha maraina be mbola maizimaizina i Maria Magdalena hankany amin’ny fasana, ka nahita ny vato efa voaesotra lavitry ny fasana.